1Au chef des chantres. Du serviteur de l'Eternel, de David. La parole impie du méchant est au fond de son coeur; La crainte de Dieu n'est pas devant ses yeux.
1[Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
2Car il se flatte à ses propres yeux, Pour consommer son iniquité, pour assouvir sa haine.
2Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3Les paroles de sa bouche sont fausses et trompeuses; Il renonce à agir avec sagesse, à faire le bien.
3Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4Il médite l'injustice sur sa couche, Il se tient sur une voie qui n'est pas bonne, Il ne repousse pas le mal.
4Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
5Eternel! ta bonté atteint jusqu'aux cieux, Ta fidélité jusqu'aux nues.
5Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6Ta justice est comme les montagnes de Dieu, Tes jugements sont comme le grand abîme. Eternel! tu soutiens les hommes et les bêtes.
6Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]
7Combien est précieuse ta bonté, ô Dieu! A l'ombre de tes ailes les fils de l'homme cherchent un refuge.
7Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
8Ils se rassasient de l'abondance de ta maison, Et tu les abreuves au torrent de tes délices.
8Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9Car auprès de toi est la source de la vie; Par ta lumière nous voyons la lumière.
9Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10Etends ta bonté sur ceux qui te connaissent, Et ta justice sur ceux dont le coeur est droit!
10Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
11Que le pied de l'orgueil ne m'atteigne pas, Et que la main des méchants ne me fasse pas fuir!
11Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
12Déjà tombent ceux qui commettent l'iniquité; Ils sont renversés, et ils ne peuvent se relever.
12Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.