1Au chef des chantres. Des fils de Koré. Psaume. Ecoutez ceci, vous tous, peuples, Prêtez l'oreille, vous tous, habitants du monde,
1[Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2Petits et grands, Riches et pauvres!
2Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3Ma bouche va faire entendre des paroles sages, Et mon coeur a des pensées pleines de sens.
3Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4Je prête l'oreille aux sentences qui me sont inspirées, J'ouvre mon chant au son de la harpe.
4Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5Pourquoi craindrais-je aux jours du malheur, Lorsque l'iniquité de mes adversaires m'enveloppe?
5Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
6Ils ont confiance en leurs biens, Et se glorifient de leur grande richesse.
6Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
7Ils ne peuvent se racheter l'un l'autre, Ni donner à Dieu le prix du rachat.
7Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
8Le rachat de leur âme est cher, Et n'aura jamais lieu;
8(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
9Ils ne vivront pas toujours, Ils n'éviteront pas la vue de la fosse.
9Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.[Na: ho tratry no lò]
10Car ils la verront: les sages meurent, L'insensé et le stupide périssent également, Et ils laissent à d'autres leurs biens.
10Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
11Ils s'imaginent que leurs maisons seront éternelles, Que leurs demeures subsisteront d'âge en âge, Eux dont les noms sont honorés sur la terre.
11Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro]
12Mais l'homme qui est en honneur n'a point de durée, Il est semblable aux bêtes que l'on égorge.
12Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
13Telle est leur voie, leur folie, Et ceux qui les suivent se plaisent à leurs discours. -Pause.
13Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
14Comme un troupeau, ils sont mis dans le séjour des morts, La mort en fait sa pâture; Et bientôt les hommes droits les foulent aux pieds, Leur beauté s'évanouit, le séjour des morts est leur demeure.
14Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
15Mais Dieu sauvera mon âme du séjour des morts, Car il me prendra sous sa protection. -Pause.
15Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.[Na: Rehefa azony aho]
16Ne sois pas dans la crainte parce qu'un homme s'enrichit, Parce que les trésors de sa maison se multiplient;
16Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
17Car il n'emporte rien en mourant, Ses trésors ne descendent point après lui.
17Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18Il aura beau s'estimer heureux pendant sa vie, On aura beau te louer des jouissances que tu te donnes,
18Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
19Tu iras néanmoins au séjour de tes pères, Qui jamais ne reverront la lumière.
19Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
20L'homme qui est en honneur, et qui n'a pas d'intelligence, Est semblable aux bêtes que l'on égorge.
20Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.