1Au chef des chantres. Psaume de David. Lorsque Nathan, le prophète, vint à lui, après que David fut allé vers Bath-Schéba. O Dieu! aie pitié de moi dans ta bonté; Selon ta grande miséricorde, efface mes transgressions;
1[Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2Lave-moi complètement de mon iniquité, Et purifie-moi de mon péché.
2Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3Car je reconnais mes transgressions, Et mon péché est constamment devant moi.
3Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4J'ai péché contre toi seul, Et j'ai fait ce qui est mal à tes yeux, En sorte que tu seras juste dans ta sentence, Sans reproche dans ton jugement.
4Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5Voici, je suis né dans l'iniquité, Et ma mère m'a conçu dans le péché.
5Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6Mais tu veux que la vérité soit au fond du coeur: Fais donc pénétrer la sagesse au dedans de moi!
6Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7Purifie-moi avec l'hysope, et je serai pur; Lave-moi, et je serai plus blanc que la neige.
7Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.[Heb: toy ny oram-panala]
8Annonce-moi l'allégresse et la joie, Et les os que tu as brisés se réjouiront.
8Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9Détourne ton regard de mes péchés, Efface toutes mes iniquités.
9Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10O Dieu! crée en moi un coeur pur, Renouvelle en moi un esprit bien disposé.
10Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11Ne me rejette pas loin de ta face, Ne me retire pas ton esprit saint.
11Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12Rends-moi la joie de ton salut, Et qu'un esprit de bonne volonté me soutienne!
12Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
13J'enseignerai tes voies à ceux qui les transgressent, Et les pécheurs reviendront à toi.
13Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
14O Dieu, Dieu de mon salut! délivre-moi du sang versé, Et ma langue célébrera ta miséricorde.
14Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.[Heb: ny lelako]
15Seigneur! ouvre mes lèvres, Et ma bouche publiera ta louange.
15Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
16Si tu eusses voulu des sacrifices, je t'en aurais offert; Mais tu ne prends point plaisir aux holocaustes.
16Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
17Les sacrifices qui sont agréables à Dieu, c'est un esprit brisé: O Dieu! tu ne dédaignes pas un coeur brisé et contrit.
17Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
18Répands par ta grâce tes bienfaits sur Sion, Bâtis les murs de Jérusalem!
18Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
19Alors tu agréeras des sacrifices de justice, Des holocaustes et des victimes tout entières; Alors on offrira des taureaux sur ton autel.
19Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.