French 1910

Malagasy

Psalms

61

1Au chef des chantres. Sur instruments à cordes. De David. O Dieu! écoute mes cris, Sois attentif à ma prière!
1[Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
2Du bout de la terre je crie à toi, le coeur abattu; Conduis-moi sur le rocher que je ne puis atteindre!
2Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3Car tu es pour moi un refuge, Une tour forte, en face de l'ennemi.
3Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4Je voudrais séjourner éternellement dans ta tente, Me réfugier à l'abri de tes ailes. -Pause.
4Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,
5Car toi, ô Dieu! tu exauces mes voeux, Tu me donnes l'héritage de ceux qui craignent ton nom.
5Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.
6Ajoute des jours aux jours du roi; Que ses années se prolongent à jamais!
6Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7Qu'il reste sur le trône éternellement devant Dieu! Fais que ta bonté et ta fidélité veillent sur lui!
7Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
8Alors je chanterai sans cesse ton nom, En accomplissant chaque jour mes voeux.
8Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.