1Eternel! je cherche en toi mon refuge: Que jamais je ne sois confondu!
1[Vavaka ataon'izay mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2Dans ta justice, sauve-moi et délivre-moi! Incline vers moi ton oreille, et secours-moi!
2Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
3Sois pour moi un rocher qui me serve d'asile, Où je puisse toujours me retirer! Tu as résolu de me sauver, Car tu es mon rocher et ma forteresse.
3Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
4Mon Dieu, délivre-moi de la main du méchant, De la main de l'homme inique et violent!
4Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
5Car tu es mon espérance, Seigneur Eternel! En toi je me confie dès ma jeunesse.
5Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6Dès le ventre de ma mère je m'appuie sur toi; C'est toi qui m'as fait sortir du sein maternel; tu es sans cesse l'objet de mes louanges.
6Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
7Je suis pour plusieurs comme un prodige, Et toi, tu es mon puissant refuge.
7Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8Que ma bouche soit remplie de tes louanges, Que chaque jour elle te glorifie!
8Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
9Ne me rejette pas au temps de la vieillesse; Quand mes forces s'en vont, ne m'abandonne pas!
9Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
10Car mes ennemis parlent de moi, Et ceux qui guettent ma vie se consultent entre eux,
10Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
11Disant: Dieu l'abandonne; Poursuivez, saisissez-le; il n'y a personne pour le délivrer.
11Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
12O Dieu, ne t'éloigne pas de moi! Mon Dieu, viens en hâte à mon secours!
12Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
13Qu'ils soient confus, anéantis, ceux qui en veulent à ma vie! Qu'ils soient couverts de honte et d'opprobre, ceux qui cherchent ma perte!
13Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
14Et moi, j'espérerai toujours, Je te louerai de plus en plus.
14Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
15Ma bouche publiera ta justice, ton salut, chaque jour, Car j'ignore quelles en sont les bornes.
15Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
16Je dirai tes oeuvres puissantes, Seigneur Eternel! Je rappellerai ta justice, la tienne seule.
16Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
17O Dieu! tu m'as instruit dès ma jeunesse, Et jusqu'à présent j'annonce tes merveilles.
17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
18Ne m'abandonne pas, ô Dieu! même dans la blanche vieillesse, Afin que j'annonce ta force à la génération présente, Ta puissance à la génération future!
18Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
19Ta justice, ô Dieu! atteint jusqu'au ciel; Tu as accompli de grandes choses: ô Dieu! qui est semblable à toi?
19Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
20Tu nous as fait éprouver bien des détresses et des malheurs; Mais tu nous redonneras la vie, Tu nous feras remonter des abîmes de la terre.
20Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay]
21Relève ma grandeur, Console-moi de nouveau!
21Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
22Et je te louerai au son du luth, je chanterai ta fidélité, mon Dieu, Je te célébrerai avec la harpe, Saint d'Israël!
22Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
23En te célébrant, j'aurai la joie sur les lèvres, La joie dans mon âme que tu as délivrée;
23Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
24Ma langue chaque jour publiera ta justice, Car ceux qui cherchent ma perte sont honteux et confus.
24Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.