French 1910

Malagasy

Psalms

76

1Au chef des chantres. Avec instruments à cordes. Psaume d'Asaph. Cantique. Dieu est connu en Juda, Son nom est grand en Israël.
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
2Sa tente est à Salem, Et sa demeure à Sion.
2Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
3C'est là qu'il a brisé les flèches, Le bouclier, l'épée et les armes de guerre. -Pause.
3Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
4Tu es plus majestueux, plus puissant Que les montagnes des ravisseurs.
4Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]
5Ils ont été dépouillés, ces héros pleins de courage, Ils se sont endormis de leur dernier sommeil; Ils n'ont pas su se défendre, tous ces vaillants hommes.
5Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
6A ta menace, Dieu de Jacob! Ils se sont endormis, cavaliers et chevaux.
6Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
7Tu es redoutable, ô toi! Qui peut te résister, quand ta colère éclate?
7Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
8Du haut des cieux tu as proclamé la sentence; La terre effrayée s'est tenue tranquille,
8Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
9Lorsque Dieu s'est levé pour faire justice, Pour sauver tous les malheureux de la terre. -Pause.
9Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
10L'homme te célèbre même dans sa fureur, Quand tu te revêts de tout ton courroux.
10Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
11Faites des voeux à l'Eternel, votre Dieu, et accomplissez-les! Que tous ceux qui l'environnent apportent des dons au Dieu terrible!
11Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
12Il abat l'orgueil des princes, Il est redoutable aux rois de la terre.
12Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.