French 1910

Malagasy

Psalms

81

1Au chef des chantres. Sur la guitthith. D'Asaph. Chantez avec allégresse à Dieu, notre force! Poussez des cris de joie vers le Dieu de Jacob!
1[Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
2Entonnez des cantiques, faites résonner le tambourin, La harpe mélodieuse et le luth!
2Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
3Sonnez de la trompette à la nouvelle lune, A la pleine lune, au jour de notre fête!
3Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
4Car c'est une loi pour Israël, Une ordonnance du Dieu de Jacob.
4Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
5Il en fit un statut pour Joseph, Quand il marcha contre le pays d'Egypte... J'entends une voix qui m'est inconnue:
5Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
6J'ai déchargé son épaule du fardeau, Et ses mains ont lâché la corbeille.
6Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
7Tu as crié dans la détresse, et je t'ai délivré; Je t'ai répondu dans la retraite du tonnerre; Je t'ai éprouvé près des eaux de Meriba. Pause.
7Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
8Ecoute, mon peuple! et je t'avertirai; Israël, puisses-tu m'écouter!
8Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9Qu'il n'y ait au milieu de toi point de dieu étranger! Ne te prosterne pas devant des dieux étrangers!
9Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.
10Je suis l'Eternel, ton Dieu, qui t'ai fait monter du pays d'Egypte; Ouvre ta bouche, et je la remplirai.
10Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11Mais mon peuple n'a point écouté ma voix, Israël ne m'a point obéi.
11Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
12Alors je les ai livrés aux penchants de leur coeur, Et ils ont suivi leurs propres conseils.
12Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
13Oh! si mon peuple m'écoutait, Si Israël marchait dans mes voies!
13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
14En un instant je confondrais leurs ennemis, Je tournerais ma main contre leurs adversaires;
14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15Ceux qui haïssent l'Eternel le flatteraient, Et le bonheur d'Israël durerait toujours;
15Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
16Je le nourrirais du meilleur froment, Et je le rassasierais du miel du rocher.
16Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.