1שמור את חדש האביב ועשית פסח ליהוה אלהיך כי בחדש האביב הוציאך יהוה אלהיך ממצרים לילה׃
1[Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
2וזבחת פסח ליהוה אלהיך צאן ובקר במקום אשר יבחר יהוה לשכן שמו שם׃
2Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.
3לא תאכל עליו חמץ שבעת ימים תאכל עליו מצות לחם עני כי בחפזון יצאת מארץ מצרים למען תזכר את יום צאתך מארץ מצרים כל ימי חייך׃
3Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
4ולא יראה לך שאר בכל גבלך שבעת ימים ולא ילין מן הבשר אשר תזבח בערב ביום הראשון לבקר׃
4Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.
5לא תוכל לזבח את הפסח באחד שעריך אשר יהוה אלהיך נתן לך׃
5Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;
6כי אם אל המקום אשר יבחר יהוה אלהיך לשכן שמו שם תזבח את הפסח בערב כבוא השמש מועד צאתך ממצרים׃
6fa eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
7ובשלת ואכלת במקום אשר יבחר יהוה אלהיך בו ופנית בבקר והלכת לאהליך׃
7Ary atsatsiho amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin'ny lainao.
8ששת ימים תאכל מצות וביום השביעי עצרת ליהוה אלהיך לא תעשה מלאכה׃
8Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin'izany.
9שבעה שבעת תספר לך מהחל חרמש בקמה תחל לספר שבעה שבעות׃
9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin'ny andro iandohan'ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
10ועשית חג שבעות ליהוה אלהיך מסת נדבת ידך אשר תתן כאשר יברכך יהוה אלהיך׃
10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;
11ושמחת לפני יהוה אלהיך אתה ובנך ובתך ועבדך ואמתך והלוי אשר בשעריך והגר והיתום והאלמנה אשר בקרבך במקום אשר יבחר יהוה אלהיך לשכן שמו שם׃
11ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
12וזכרת כי עבד היית במצרים ושמרת ועשית את החקים האלה׃
12Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
13חג הסכת תעשה לך שבעת ימים באספך מגרנך ומיקבך׃
13Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao.
14ושמחת בחגך אתה ובנך ובתך ועבדך ואמתך והלוי והגר והיתום והאלמנה אשר בשעריך׃
14Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
15שבעת ימים תחג ליהוה אלהיך במקום אשר יבחר יהוה כי יברכך יהוה אלהיך בכל תבואתך ובכל מעשה ידיך והיית אך שמח׃
15Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
16שלוש פעמים בשנה יראה כל זכורך את פני יהוה אלהיך במקום אשר יבחר בחג המצות ובחג השבעות ובחג הסכות ולא יראה את פני יהוה ריקם׃
16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny, dia amin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
17איש כמתנת ידו כברכת יהוה אלהיך אשר נתן לך׃
17fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
18שפטים ושטרים תתן לך בכל שעריך אשר יהוה אלהיך נתן לך לשבטיך ושפטו את העם משפט צדק׃
18[Ny amin'ny fitsarana sy ny fifidianana mpanjaka] Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
19לא תטה משפט לא תכיר פנים ולא תקח שחד כי השחד יעור עיני חכמים ויסלף דברי צדיקם׃
19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
20צדק צדק תרדף למען תחיה וירשת את הארץ אשר יהוה אלהיך נתן לך׃
20Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
21לא תטע לך אשרה כל עץ אצל מזבח יהוה אלהיך אשר תעשה לך׃
21Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
22ולא תקים לך מצבה אשר שנא יהוה אלהיך׃
22Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.