Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

25

1כי יהיה ריב בין אנשים ונגשו אל המשפט ושפטום והצדיקו את הצדיק והרשיעו את הרשע׃
1[Ny amin'ny kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2והיה אם בן הכות הרשע והפילו השפט והכהו לפניו כדי רשעתו במספר׃
2Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3ארבעים יכנו לא יסיף פן יסיף להכתו על אלה מכה רבה ונקלה אחיך לעיניך׃
3Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4לא תחסם שור בדישו׃
4Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
5כי ישבו אחים יחדו ומת אחד מהם ובן אין לו לא תהיה אשת המת החוצה לאיש זר יבמה יבא עליה ולקחה לו לאשה ויבמה׃
5Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6והיה הבכור אשר תלד יקום על שם אחיו המת ולא ימחה שמו מישראל׃
6Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.
7ואם לא יחפץ האיש לקחת את יבמתו ועלתה יבמתו השערה אל הזקנים ואמרה מאן יבמי להקים לאחיו שם בישראל לא אבה יבמי׃
7Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8וקראו לו זקני עירו ודברו אליו ועמד ואמר לא חפצתי לקחתה׃
8Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9ונגשה יבמתו אליו לעיני הזקנים וחלצה נעלו מעל רגלו וירקה בפניו וענתה ואמרה ככה יעשה לאיש אשר לא יבנה את בית אחיו׃
9dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10ונקרא שמו בישראל בית חלוץ הנעל׃
10Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
11כי ינצו אנשים יחדו איש ואחיו וקרבה אשת האחד להציל את אישה מיד מכהו ושלחה ידה והחזיקה במבשיו׃
11Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
12וקצתה את כפה לא תחוס עינך׃
12dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
13לא יהיה לך בכיסך אבן ואבן גדולה וקטנה׃
13Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
14לא יהיה לך בביתך איפה ואיפה גדולה וקטנה׃
14Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
15אבן שלמה וצדק יהיה לך איפה שלמה וצדק יהיה לך למען יאריכו ימיך על האדמה אשר יהוה אלהיך נתן לך׃
15Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
16כי תועבת יהוה אלהיך כל עשה אלה כל עשה עול׃
16Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
17זכור את אשר עשה לך עמלק בדרך בצאתכם ממצרים׃
17[Ny amin'ny handringanana ny Amalekita] Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,
18אשר קרך בדרך ויזנב בך כל הנחשלים אחריך ואתה עיף ויגע ולא ירא אלהים׃
18dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
19והיה בהניח יהוה אלהיך לך מכל איביך מסביב בארץ אשר יהוה אלהיך נתן לך נחלה לרשתה תמחה את זכר עמלק מתחת השמים לא תשכח׃
19Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.