Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

28

1והיה אם שמוע תשמע בקול יהוה אלהיך לשמר לעשות את כל מצותיו אשר אנכי מצוך היום ונתנך יהוה אלהיך עליון על כל גויי הארץ׃
1[Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
2ובאו עליך כל הברכות האלה והשיגך כי תשמע בקול יהוה אלהיך׃
2ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
3ברוך אתה בעיר וברוך אתה בשדה׃
3Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
4ברוך פרי בטנך ופרי אדמתך ופרי בהמתך שגר אלפיך ועשתרות צאנך׃
4Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
5ברוך טנאך ומשארתך׃
5Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
6ברוך אתה בבאך וברוך אתה בצאתך׃
6Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
7יתן יהוה את איביך הקמים עליך נגפים לפניך בדרך אחד יצאו אליך ובשבעה דרכים ינוסו לפניך׃
7Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
8יצו יהוה אתך את הברכה באסמיך ובכל משלח ידך וברכך בארץ אשר יהוה אלהיך נתן לך׃
8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
9יקימך יהוה לו לעם קדוש כאשר נשבע לך כי תשמר את מצות יהוה אלהיך והלכת בדרכיו׃
9Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
10וראו כל עמי הארץ כי שם יהוה נקרא עליך ויראו ממך׃
10Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
11והותרך יהוה לטובה בפרי בטנך ובפרי בהמתך ובפרי אדמתך על האדמה אשר נשבע יהוה לאבתיך לתת לך׃
11Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
12יפתח יהוה לך את אוצרו הטוב את השמים לתת מטר ארצך בעתו ולברך את כל מעשה ידך והלוית גוים רבים ואתה לא תלוה׃
12Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
13ונתנך יהוה לראש ולא לזנב והיית רק למעלה ולא תהיה למטה כי תשמע אל מצות יהוה אלהיך אשר אנכי מצוך היום לשמר ולעשות׃
13Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
14ולא תסור מכל הדברים אשר אנכי מצוה אתכם היום ימין ושמאול ללכת אחרי אלהים אחרים לעבדם׃
14Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
15והיה אם לא תשמע בקול יהוה אלהיך לשמר לעשות את כל מצותיו וחקתיו אשר אנכי מצוך היום ובאו עליך כל הקללות האלה והשיגוך׃
15Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao :
16ארור אתה בעיר וארור אתה בשדה׃
16Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
17ארור טנאך ומשארתך׃
17Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
18ארור פרי בטנך ופרי אדמתך שגר אלפיך ועשתרות צאנך׃
18Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
19ארור אתה בבאך וארור אתה בצאתך׃
19Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
20ישלח יהוה בך את המארה את המהומה ואת המגערת בכל משלח ידך אשר תעשה עד השמדך ועד אבדך מהר מפני רע מעלליך אשר עזבתני׃
20Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.
21ידבק יהוה בך את הדבר עד כלתו אתך מעל האדמה אשר אתה בא שמה לרשתה׃
21Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
22יככה יהוה בשחפת ובקדחת ובדלקת ובחרחר ובחרב ובשדפון ובירקון ורדפוך עד אבדך׃
22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
23והיו שמיך אשר על ראשך נחשת והארץ אשר תחתיך ברזל׃
23Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
24יתן יהוה את מטר ארצך אבק ועפר מן השמים ירד עליך עד השמדך׃
24Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
25יתנך יהוה נגף לפני איביך בדרך אחד תצא אליו ובשבעה דרכים תנוס לפניו והיית לזעוה לכל ממלכות הארץ׃
25Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
26והיתה נבלתך למאכל לכל עוף השמים ולבהמת הארץ ואין מחריד׃
26Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27יככה יהוה בשחין מצרים ובעפלים ובגרב ובחרס אשר לא תוכל להרפא׃
27Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
28יככה יהוה בשגעון ובעורון ובתמהון לבב׃
28ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
29והיית ממשש בצהרים כאשר ימשש העור באפלה ולא תצליח את דרכיך והיית אך עשוק וגזול כל הימים ואין מושיע׃
29Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
30אשה תארש ואיש אחר ישגלנה בית תבנה ולא תשב בו כרם תטע ולא תחללנו׃
30Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
31שורך טבוח לעיניך ולא תאכל ממנו חמרך גזול מלפניך ולא ישוב לך צאנך נתנות לאיביך ואין לך מושיע׃
31Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
32בניך ובנתיך נתנים לעם אחר ועיניך ראות וכלות אליהם כל היום ואין לאל ידך׃
32Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
33פרי אדמתך וכל יגיעך יאכל עם אשר לא ידעת והיית רק עשוק ורצוץ כל הימים׃
33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
34והיית משגע ממראה עיניך אשר תראה׃
34Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
35יככה יהוה בשחין רע על הברכים ועל השקים אשר לא תוכל להרפא מכף רגלך ועד קדקדך׃
35Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao.
36יולך יהוה אתך ואת מלכך אשר תקים עליך אל גוי אשר לא ידעת אתה ואבתיך ועבדת שם אלהים אחרים עץ ואבן׃
36Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
37והיית לשמה למשל ולשנינה בכל העמים אשר ינהגך יהוה שמה׃
37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.
38זרע רב תוציא השדה ומעט תאסף כי יחסלנו הארבה׃
38Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny.
39כרמים תטע ועבדת ויין לא תשתה ולא תאגר כי תאכלנו התלעת׃
39Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.
40זיתים יהיו לך בכל גבולך ושמן לא תסוך כי ישל זיתך׃
40Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
41בנים ובנות תוליד ולא יהיו לך כי ילכו בשבי׃
41Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
42כל עצך ופרי אדמתך יירש הצלצל׃
42Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala.
43הגר אשר בקרבך יעלה עליך מעלה מעלה ואתה תרד מטה מטה׃
43Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
44הוא ילוך ואתה לא תלונו הוא יהיה לראש ואתה תהיה לזנב׃
44Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
45ובאו עליך כל הקללות האלה ורדפוך והשיגוך עד השמדך כי לא שמעת בקול יהוה אלהיך לשמר מצותיו וחקתיו אשר צוך׃
45Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
46והיו בך לאות ולמופת ובזרעך עד עולם׃
46Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
47תחת אשר לא עבדת את יהוה אלהיך בשמחה ובטוב לבב מרב כל׃
47satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.
48ועבדת את איביך אשר ישלחנו יהוה בך ברעב ובצמא ובעירם ובחסר כל ונתן על ברזל על צוארך עד השמידו אתך׃
48Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
49ישא יהוה עליך גוי מרחוק מקצה הארץ כאשר ידאה הנשר גוי אשר לא תשמע לשנו׃
49Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
50גוי עז פנים אשר לא ישא פנים לזקן ונער לא יחן׃
50firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
51ואכל פרי בהמתך ופרי אדמתך עד השמדך אשר לא ישאיר לך דגן תירוש ויצהר שגר אלפיך ועשתרת צאנך עד האבידו אתך׃
51dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.
52והצר לך בכל שעריך עד רדת חמתיך הגבהות והבצרות אשר אתה בטח בהן בכל ארצך והצר לך בכל שעריך בכל ארצך אשר נתן יהוה אלהיך לך׃
52Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
53ואכלת פרי בטנך בשר בניך ובנתיך אשר נתן לך יהוה אלהיך במצור ובמצוק אשר יציק לך איבך׃
53Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
54האיש הרך בך והענג מאד תרע עינו באחיו ובאשת חיקו וביתר בניו אשר יותיר׃
54Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
55מתת לאחד מהם מבשר בניו אשר יאכל מבלי השאיר לו כל במצור ובמצוק אשר יציק לך איבך בכל שעריך׃
55ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.
56הרכה בך והענגה אשר לא נסתה כף רגלה הצג על הארץ מהתענג ומרך תרע עינה באיש חיקה ובבנה ובבתה׃
56Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
57ובשליתה היוצת מבין רגליה ובבניה אשר תלד כי תאכלם בחסר כל בסתר במצור ובמצוק אשר יציק לך איבך בשעריך׃
57noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.
58אם לא תשמר לעשות את כל דברי התורה הזאת הכתובים בספר הזה ליראה את השם הנכבד והנורא הזה את יהוה אלהיך׃
58Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
59והפלא יהוה את מכתך ואת מכות זרעך מכות גדלות ונאמנות וחלים רעים ונאמנים׃
59dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
60והשיב בך את כל מדוה מצרים אשר יגרת מפניהם ודבקו בך׃
60Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
61גם כל חלי וכל מכה אשר לא כתוב בספר התורה הזאת יעלם יהוה עליך עד השמדך׃
61Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
62ונשארתם במתי מעט תחת אשר הייתם ככוכבי השמים לרב כי לא שמעת בקול יהוה אלהיך׃
62Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
63והיה כאשר שש יהוה עליכם להיטיב אתכם ולהרבות אתכם כן ישיש יהוה עליכם להאביד אתכם ולהשמיד אתכם ונסחתם מעל האדמה אשר אתה בא שמה לרשתה׃
63Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.
64והפיצך יהוה בכל העמים מקצה הארץ ועד קצה הארץ ועבדת שם אלהים אחרים אשר לא ידעת אתה ואבתיך עץ ואבן׃
64Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
65ובגוים ההם לא תרגיע ולא יהיה מנוח לכף רגלך ונתן יהוה לך שם לב רגז וכליון עינים ודאבון נפש׃
65Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
66והיו חייך תלאים לך מנגד ופחדת לילה ויומם ולא תאמין בחייך׃
66Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
67בבקר תאמר מי יתן ערב ובערב תאמר מי יתן בקר מפחד לבבך אשר תפחד וממראה עיניך אשר תראה׃
67Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
68והשיבך יהוה מצרים באניות בדרך אשר אמרתי לך לא תסיף עוד לראתה והתמכרתם שם לאיביך לעבדים ולשפחות ואין קנה׃
68Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
69[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.