1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2ביום החדש הראשון באחד לחדש תקים את משכן אהל מועד׃
2Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
3ושמת שם את ארון העדות וסכת על הארן את הפרכת׃
3Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4והבאת את השלחן וערכת את ערכו והבאת את המנרה והעלית את נרתיה׃
4Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5ונתתה את מזבח הזהב לקטרת לפני ארון העדת ושמת את מסך הפתח למשכן׃
5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
6ונתתה את מזבח העלה לפני פתח משכן אהל מועד׃
6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
7ונתת את הכיר בין אהל מועד ובין המזבח ונתת שם מים׃
7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
8ושמת את החצר סביב ונתת את מסך שער החצר׃
8Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
9ולקחת את שמן המשחה ומשחת את המשכן ואת כל אשר בו וקדשת אתו ואת כל כליו והיה קדש׃
9Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
10ומשחת את מזבח העלה ואת כל כליו וקדשת את המזבח והיה המזבח קדש קדשים׃
10Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
11ומשחת את הכיר ואת כנו וקדשת אתו׃
11Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
12והקרבת את אהרן ואת בניו אל פתח אהל מועד ורחצת אתם במים׃
12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
13והלבשת את אהרן את בגדי הקדש ומשחת אתו וקדשת אתו וכהן לי׃
13Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
14ואת בניו תקריב והלבשת אתם כתנת׃
14Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
15ומשחת אתם כאשר משחת את אביהם וכהנו לי והיתה להית להם משחתם לכהנת עולם לדרתם׃
15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
16ויעש משה ככל אשר צוה יהוה אתו כן עשה׃
16Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
17ויהי בחדש הראשון בשנה השנית באחד לחדש הוקם המשכן׃
17Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
18ויקם משה את המשכן ויתן את אדניו וישם את קרשיו ויתן את בריחיו ויקם את עמודיו׃
18Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
19ויפרש את האהל על המשכן וישם את מכסה האהל עליו מלמעלה כאשר צוה יהוה את משה׃
19Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
20ויקח ויתן את העדת אל הארן וישם את הבדים על הארן ויתן את הכפרת על הארן מלמעלה׃
20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
21ויבא את הארן אל המשכן וישם את פרכת המסך ויסך על ארון העדות כאשר צוה יהוה את משה׃
21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22ויתן את השלחן באהל מועד על ירך המשכן צפנה מחוץ לפרכת׃
22Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
23ויערך עליו ערך לחם לפני יהוה כאשר צוה יהוה את משה׃
23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
24וישם את המנרה באהל מועד נכח השלחן על ירך המשכן נגבה׃
24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
25ויעל הנרת לפני יהוה כאשר צוה יהוה את משה׃
25Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
26וישם את מזבח הזהב באהל מועד לפני הפרכת׃
26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
27ויקטר עליו קטרת סמים כאשר צוה יהוה את משה׃
27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
28וישם את מסך הפתח למשכן׃
28Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
29ואת מזבח העלה שם פתח משכן אהל מועד ויעל עליו את העלה ואת המנחה כאשר צוה יהוה את משה׃
29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30וישם את הכיר בין אהל מועד ובין המזבח ויתן שמה מים לרחצה׃
30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
31ורחצו ממנו משה ואהרן ובניו את ידיהם ואת רגליהם׃
31Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
32בבאם אל אהל מועד ובקרבתם אל המזבח ירחצו כאשר צוה יהוה את משה׃
32Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33ויקם את החצר סביב למשכן ולמזבח ויתן את מסך שער החצר ויכל משה את המלאכה׃
33Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
34ויכס הענן את אהל מועד וכבוד יהוה מלא את המשכן׃
34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
35ולא יכל משה לבוא אל אהל מועד כי שכן עליו הענן וכבוד יהוה מלא את המשכן׃
35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
36ובהעלות הענן מעל המשכן יסעו בני ישראל בכל מסעיהם׃
36Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
37ואם לא יעלה הענן ולא יסעו עד יום העלתו׃
37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
38כי ענן יהוה על המשכן יומם ואש תהיה לילה בו לעיני כל בית ישראל בכל מסעיהם׃
38Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.