Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

15

1ויהי הגורל למטה בני יהודה למשפחתם אל גבול אדום מדבר צן נגבה מקצה תימן׃
1[Ny anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
2ויהי להם גבול נגב מקצה ים המלח מן הלשן הפנה נגבה׃
2Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,
3ויצא אל מנגב למעלה עקרבים ועבר צנה ועלה מנגב לקדש ברנע ועבר חצרון ועלה אדרה ונסב הקרקעה׃
3dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
4ועבר עצמונה ויצא נחל מצרים והיה תצאות הגבול ימה זה יהיה לכם גבול נגב׃
4dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5וגבול קדמה ים המלח עד קצה הירדן וגבול לפאת צפונה מלשון הים מקצה הירדן׃
5Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,
6ועלה הגבול בית חגלה ועבר מצפון לבית הערבה ועלה הגבול אבן בהן בן ראובן׃
6dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
7ועלה הגבול דברה מעמק עכור וצפונה פנה אל הגלגל אשר נכח למעלה אדמים אשר מנגב לנחל ועבר הגבול אל מי עין שמש והיו תצאתיו אל עין רגל׃
7dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8ועלה הגבול גי בן הנם אל כתף היבוסי מנגב היא ירושלם ועלה הגבול אל ראש ההר אשר על פני גי הנם ימה אשר בקצה עמק רפאים צפנה׃
8dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
9ותאר הגבול מראש ההר אל מעין מי נפתוח ויצא אל ערי הר עפרון ותאר הגבול בעלה היא קרית יערים׃
9dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
10ונסב הגבול מבעלה ימה אל הר שעיר ועבר אל כתף הר יערים מצפונה היא כסלון וירד בית שמש ועבר תמנה׃
10dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11ויצא הגבול אל כתף עקרון צפונה ותאר הגבול שכרונה ועבר הר הבעלה ויצא יבנאל והיו תצאות הגבול ימה׃
11dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.
12וגבול ים הימה הגדול וגבול זה גבול בני יהודה סביב למשפחתם׃
12Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
13ולכלב בן יפנה נתן חלק בתוך בני יהודה אל פי יהוה ליהושע את קרית ארבע אבי הענק היא חברון׃
13Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany). [Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54]
14וירש משם כלב את שלושה בני הענק את ששי ואת אחימן ואת תלמי ילידי הענק׃
14Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
15ויעל משם אל ישבי דבר ושם דבר לפנים קרית ספר׃
15Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
16ויאמר כלב אשר יכה את קרית ספר ולכדה ונתתי לו את עכסה בתי לאשה׃
16Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
17וילכדה עתניאל בן קנז אחי כלב ויתן לו את עכסה בתו לאשה׃
17Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
18ויהי בבואה ותסיתהו לשאול מאת אביה שדה ותצנח מעל החמור ויאמר לה כלב מה לך׃
18Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19ותאמר תנה לי ברכה כי ארץ הנגב נתתני ונתתה לי גלת מים ויתן לה את גלת עליות ואת גלת תחתיות׃
19Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20זאת נחלת מטה בני יהודה למשפחתם׃
20Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
21ויהיו הערים מקצה למטה בני יהודה אל גבול אדום בנגבה קבצאל ועדר ויגור׃
21Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22וקינה ודימונה ועדעדה׃
22sy Kina sy Dimona sy Adada
23וקדש וחצור ויתנן׃
23sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
24זיף וטלם ובעלות׃
24sy Zifa sy Talema sy Bealota
25וחצור חדתה וקריות חצרון היא חצור׃
25sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26אמם ושמע ומולדה׃
26sy Amama sy Sema sy Molada
27וחצר גדה וחשמון ובית פלט׃
27sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28וחצר שועל ובאר שבע ובזיותיה׃
28sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29בעלה ועיים ועצם׃
29sy Bala sy Ie sy Azema
30ואלתולד וכסיל וחרמה׃
30sy Eltolada sy Kesila sy Horma
31וצקלג ומדמנה וסנסנה׃
31sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32ולבאות ושלחים ועין ורמון כל ערים עשרים ותשע וחצריהן׃
32sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
33בשפלה אשתאול וצרעה ואשנה׃
33Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna [Heb. Sefela]
34וזנוח ועין גנים תפוח והעינם׃
34sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35ירמות ועדלם שוכה ועזקה׃
35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36ושערים ועדיתים והגדרה וגדרתים ערים ארבע עשרה וחצריהן׃
36sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
37צנן וחדשה ומגדל גד׃
37ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38ודלען והמצפה ויקתאל׃
38sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39לכיש ובצקת ועגלון׃
39sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40וכבון ולחמס וכתליש׃
40sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41וגדרות בית דגון ונעמה ומקדה ערים שש עשרה וחצריהן׃
41sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42לבנה ועתר ועשן׃
42Libna sy Atera sy Asana
43ויפתח ואשנה ונציב׃
43sy Jifta sy Asna ary Neziba
44וקעילה ואכזיב ומראשה ערים תשע וחצריהן׃
44sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45עקרון ובנתיה וחצריה׃
45Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
46מעקרון וימה כל אשר על יד אשדוד וחצריהן׃
46hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47אשדוד בנותיה וחצריה עזה בנותיה וחצריה עד נחל מצרים והים הגבול וגבול׃
47Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48ובהר שמיר ויתיר ושוכה׃
48Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49ודנה וקרית סנה היא דבר׃
49sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
50וענב ואשתמה וענים׃
50sy Anaba sy Estemo sy Anima
51וגשן וחלן וגלה ערים אחת עשרה וחצריהן׃
51sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52ארב ורומה ואשען׃
52Araba sy Doma sy Esana
53וינים ובית תפוח ואפקה׃
53sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
54וחמטה וקרית ארבע היא חברון וציער ערים תשע וחצריהן׃
54sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
55מעון כרמל וזיף ויוטה׃
55Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
56ויזרעאל ויקדעם וזנוח׃
56sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
57הקין גבעה ותמנה ערים עשר וחצריהן׃
57sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58חלחול בית צור וגדור׃
58sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
59ומערת ובית ענות ואלתקן ערים שש וחצריהן׃
59sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
60קרית בעל היא קרית יערים והרבה ערים שתים וחצריהן׃
60sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
61במדבר בית הערבה מדין וסככה׃
61Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka
62והנבשן ועיר המלח ועין גדי ערים שש וחצריהן׃
62sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
63ואת היבוסי יושבי ירושלם לא יוכלו בני יהודה להורישם וישב היבוסי את בני יהודה בירושלם עד היום הזה׃
63Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.