Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

18

1ויקהלו כל עדת בני ישראל שלה וישכינו שם את אהל מועד והארץ נכבשה לפניהם׃
1[Ny nananganana ny tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2ויותרו בבני ישראל אשר לא חלקו את נחלתם שבעה שבטים׃
2Ary nisy firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3ויאמר יהושע אל בני ישראל עד אנה אתם מתרפים לבוא לרשת את הארץ אשר נתן לכם יהוה אלהי אבותיכם׃
3Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4הבו לכם שלשה אנשים לשבט ואשלחם ויקמו ויתהלכו בארץ ויכתבו אותה לפי נחלתם ויבאו אלי׃
4Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5והתחלקו אתה לשבעה חלקים יהודה יעמד על גבולו מנגב ובית יוסף יעמדו על גבולם מצפון׃
5Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
6ואתם תכתבו את הארץ שבעה חלקים והבאתם אלי הנה ויריתי לכם גורל פה לפני יהוה אלהינו׃
6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7כי אין חלק ללוים בקרבכם כי כהנת יהוה נחלתו וגד וראובן וחצי שבט המנשה לקחו נחלתם מעבר לירדן מזרחה אשר נתן להם משה עבד יהוה׃
7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8ויקמו האנשים וילכו ויצו יהושע את ההלכים לכתב את הארץ לאמר לכו והתהלכו בארץ וכתבו אותה ושובו אלי ופה אשליך לכם גורל לפני יהוה בשלה׃
8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9וילכו האנשים ויעברו בארץ ויכתבוה לערים לשבעה חלקים על ספר ויבאו אל יהושע אל המחנה שלה׃
9Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10וישלך להם יהושע גורל בשלה לפני יהוה ויחלק שם יהושע את הארץ לבני ישראל כמחלקתם׃
10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11ויעל גורל מטה בני בנימן למשפחתם ויצא גבול גורלם בין בני יהודה ובין בני יוסף׃
11[Ny nizarana ny tany sisa andrefan'i Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona, ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i Josoa] Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12ויהי להם הגבול לפאת צפונה מן הירדן ועלה הגבול אל כתף יריחו מצפון ועלה בהר ימה והיה תצאתיו מדברה בית און׃
12Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13ועבר משם הגבול לוזה אל כתף לוזה נגבה היא בית אל וירד הגבול עטרות אדר על ההר אשר מנגב לבית חרון תחתון׃
13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
14ותאר הגבול ונסב לפאת ים נגבה מן ההר אשר על פני בית חרון נגבה והיה תצאתיו אל קרית בעל היא קרית יערים עיר בני יהודה זאת פאת ים׃
14dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
15ופאת נגבה מקצה קרית יערים ויצא הגבול ימה ויצא אל מעין מי נפתוח׃
15Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16וירד הגבול אל קצה ההר אשר על פני גי בן הנם אשר בעמק רפאים צפונה וירד גי הנם אל כתף היבוסי נגבה וירד עין רגל׃
16dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17ותאר מצפון ויצא עין שמש ויצא אל גלילות אשר נכח מעלה אדמים וירד אבן בהן בן ראובן׃
17dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18ועבר אל כתף מול הערבה צפונה וירד הערבתה׃
18dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.
19ועבר הגבול אל כתף בית חגלה צפונה והיה תצאותיו הגבול אל לשון ים המלח צפונה אל קצה הירדן נגבה זה גבול נגב׃
19dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo. [Heb. Arabà]
20והירדן יגבל אתו לפאת קדמה זאת נחלת בני בנימן לגבולתיה סביב למשפחתם׃
20Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21והיו הערים למטה בני בנימן למשפחותיהם יריחו ובית חגלה ועמק קציץ׃
21Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
22ובית הערבה וצמרים ובית אל׃
22sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
23והעוים והפרה ועפרה׃
23sy Avima sy Para sy Ofra
24וכפר העמני והעפני וגבע ערים שתים עשרה וחצריהן׃
24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25גבעון והרמה ובארות׃
25sy Gibeona sy Rama sy Berota
26והמצפה והכפירה והמצה׃
26sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27ורקם וירפאל ותראלה׃
27sy Rekema sy Iripela sy Taralasy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]
28וצלע האלף והיבוסי היא ירושלם גבעת קרית ערים ארבע עשרה וחצריהן זאת נחלת בני בנימן למשפחתם׃
28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]