1וידבר יהוה אל יהושע לאמר׃
1[Ny nifidianana ny tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
2דבר אל בני ישראל לאמר תנו לכם את ערי המקלט אשר דברתי אליכם ביד משה׃
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy taminareo,
3לנוס שמה רוצח מכה נפש בשגגה בבלי דעת והיו לכם למקלט מגאל הדם׃
3handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rà
4ונס אל אחת מהערים האלה ועמד פתח שער העיר ודבר באזני זקני העיר ההיא את דבריו ואספו אתו העירה אליהם ונתנו לו מקום וישב עמם׃
4Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
5וכי ירדף גאל הדם אחריו ולא יסגרו את הרצח בידו כי בבלי דעת הכה את רעהו ולא שנא הוא לו מתמול שלשום׃
5Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
6וישב בעיר ההיא עד עמדו לפני העדה למשפט עד מות הכהן הגדול אשר יהיה בימים ההם אז ישוב הרוצח ובא אל עירו ואל ביתו אל העיר אשר נס משם׃
6Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7ויקדשו את קדש בגליל בהר נפתלי ואת שכם בהר אפרים ואת קרית ארבע היא חברון בהר יהודה׃
7Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.
8ומעבר לירדן יריחו מזרחה נתנו את בצר במדבר במישר ממטה ראובן ואת ראמת בגלעד ממטה גד ואת גלון בבשן ממטה מנשה׃
8Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.
9אלה היו ערי המועדה לכל בני ישראל ולגר הגר בתוכם לנוס שמה כל מכה נפש בשגגה ולא ימות ביד גאל הדם עד עמדו לפני העדה׃
9Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.