Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

22

1אז יקרא יהושע לראובני ולגדי ולחצי מטה מנשה׃
1[Ny nampodiana ny firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,
2ויאמר אליהם אתם שמרתם את כל אשר צוה אתכם משה עבד יהוה ותשמעו בקולי לכל אשר צויתי אתכם׃
2ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
3לא עזבתם את אחיכם זה ימים רבים עד היום הזה ושמרתם את משמרת מצות יהוה אלהיכם׃
3tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
4ועתה הניח יהוה אלהיכם לאחיכם כאשר דבר להם ועתה פנו ולכו לכם לאהליכם אל ארץ אחזתכם אשר נתן לכם משה עבד יהוה בעבר הירדן׃
4Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.
5רק שמרו מאד לעשות את המצוה ואת התורה אשר צוה אתכם משה עבד יהוה לאהבה את יהוה אלהיכם וללכת בכל דרכיו ולשמר מצותיו ולדבקה בו ולעבדו בכל לבבכם ובכל נפשכם׃
5Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
6ויברכם יהושע וישלחם וילכו אל אהליהם׃
6Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
7ולחצי שבט המנשה נתן משה בבשן ולחציו נתן יהושע עם אחיהם מעבר הירדן ימה וגם כי שלחם יהושע אל אהליהם ויברכם׃
7Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
8ויאמר אליהם לאמר בנכסים רבים שובו אל אהליכם ובמקנה רב מאד בכסף ובזהב ובנחשת ובברזל ובשלמות הרבה מאד חלקו שלל איביכם עם אחיכם׃
8ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
9וישבו וילכו בני ראובן ובני גד וחצי שבט המנשה מאת בני ישראל משלה אשר בארץ כנען ללכת אל ארץ הגלעד אל ארץ אחזתם אשר נאחזו בה על פי יהוה ביד משה׃
9Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
10ויבאו אל גלילות הירדן אשר בארץ כנען ויבנו בני ראובן ובני גד וחצי שבט המנשה שם מזבח על הירדן מזבח גדול למראה׃
10Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
11וישמעו בני ישראל לאמר הנה בנו בני ראובן ובני גד וחצי שבט המנשה את המזבח אל מול ארץ כנען אל גלילות הירדן אל עבר בני ישראל׃
11Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
12וישמעו בני ישראל ויקהלו כל עדת בני ישראל שלה לעלות עליהם לצבא׃
12Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
13וישלחו בני ישראל אל בני ראובן ואל בני גד ואל חצי שבט מנשה אל ארץ הגלעד את פינחס בן אלעזר הכהן׃
13Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
14ועשרה נשאים עמו נשיא אחד נשיא אחד לבית אב לכל מטות ישראל ואיש ראש בית אבותם המה לאלפי ישראל׃
14sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15ויבאו אל בני ראובן ואל בני גד ואל חצי שבט מנשה אל ארץ הגלעד וידברו אתם לאמר׃
15Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16כה אמרו כל עדת יהוה מה המעל הזה אשר מעלתם באלהי ישראל לשוב היום מאחרי יהוה בבנותכם לכם מזבח למרדכם היום ביהוה׃
16Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
17המעט לנו את עון פעור אשר לא הטהרנו ממנו עד היום הזה ויהי הנגף בעדת יהוה׃
17Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
18ואתם תשבו היום מאחרי יהוה והיה אתם תמרדו היום ביהוה ומחר אל כל עדת ישראל יקצף׃
18no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
19ואך אם טמאה ארץ אחזתכם עברו לכם אל ארץ אחזת יהוה אשר שכן שם משכן יהוה והאחזו בתוכנו וביהוה אל תמרדו ואתנו אל תמרדו בבנתכם לכם מזבח מבלעדי מזבח יהוה אלהינו׃
19Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
20הלוא עכן בן זרח מעל מעל בחרם ועל כל עדת ישראל היה קצף והוא איש אחד לא גוע בעונו׃
20Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]
21ויענו בני ראובן ובני גד וחצי שבט המנשה וידברו את ראשי אלפי ישראל׃
21Dia namaly ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
22אל אלהים יהוה אל אלהים יהוה הוא ידע וישראל הוא ידע אם במרד ואם במעל ביהוה אל תושיענו היום הזה׃
22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23לבנות לנו מזבח לשוב מאחרי יהוה ואם להעלות עליו עולה ומנחה ואם לעשות עליו זבחי שלמים יהוה הוא יבקש׃
23raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
24ואם לא מדאגה מדבר עשינו את זאת לאמר מחר יאמרו בניכם לבנינו לאמר מה לכם וליהוה אלהי ישראל׃
24fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
25וגבול נתן יהוה ביננו וביניכם בני ראובן ובני גד את הירדן אין לכם חלק ביהוה והשביתו בניכם את בנינו לבלתי ירא את יהוה׃
25fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
26ונאמר נעשה נא לנו לבנות את המזבח לא לעולה ולא לזבח׃
26Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
27כי עד הוא בינינו וביניכם ובין דרותינו אחרינו לעבד את עבדת יהוה לפניו בעלותינו ובזבחינו ובשלמינו ולא יאמרו בניכם מחר לבנינו אין לכם חלק ביהוה׃
27fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
28ונאמר והיה כי יאמרו אלינו ואל דרתינו מחר ואמרנו ראו את תבנית מזבח יהוה אשר עשו אבותינו לא לעולה ולא לזבח כי עד הוא בינינו וביניכם׃
28Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
29חלילה לנו ממנו למרד ביהוה ולשוב היום מאחרי יהוה לבנות מזבח לעלה למנחה ולזבח מלבד מזבח יהוה אלהינו אשר לפני משכנו׃
29Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
30וישמע פינחס הכהן ונשיאי העדה וראשי אלפי ישראל אשר אתו את הדברים אשר דברו בני ראובן ובני גד ובני מנשה וייטב בעיניהם׃
30Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
31ויאמר פינחס בן אלעזר הכהן אל בני ראובן ואל בני גד ואל בני מנשה היום ידענו כי בתוכנו יהוה אשר לא מעלתם ביהוה המעל הזה אז הצלתם את בני ישראל מיד יהוה׃
31Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.
32וישב פינחס בן אלעזר הכהן והנשיאים מאת בני ראובן ומאת בני גד מארץ הגלעד אל ארץ כנען אל בני ישראל וישבו אותם דבר׃
32Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
33וייטב הדבר בעיני בני ישראל ויברכו אלהים בני ישראל ולא אמרו לעלות עליהם לצבא לשחת את הארץ אשר בני ראובן ובני גד ישבים בה׃
33Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
34ויקראו בני ראובן ובני גד למזבח כי עד הוא בינתינו כי יהוה האלהים׃
34Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.