Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

3

1וישכם יהושע בבקר ויסעו מהשטים ויבאו עד הירדן הוא וכל בני ישראל וילנו שם טרם יעברו׃
1[Ny nitan'ny Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny tahotry ny Amorita sy ny Kananita tamin'izany] Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2ויהי מקצה שלשת ימים ויעברו השטרים בקרב המחנה׃
2Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
3ויצוו את העם לאמר כראותכם את ארון ברית יהוה אלהיכם והכהנים הלוים נשאים אתו ואתם תסעו ממקומכם והלכתם אחריו׃
3ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy
4אך רחוק יהיה ביניכם ובינו כאלפים אמה במדה אל תקרבו אליו למען אשר תדעו את הדרך אשר תלכו בה כי לא עברתם בדרך מתמול שלשום׃
4(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
5ויאמר יהושע אל העם התקדשו כי מחר יעשה יהוה בקרבכם נפלאות׃
5Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
6ויאמר יהושע אל הכהנים לאמר שאו את ארון הברית ועברו לפני העם וישאו את ארון הברית וילכו לפני העם׃
6Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.
7ויאמר יהוה אל יהושע היום הזה אחל גדלך בעיני כל ישראל אשר ידעון כי כאשר הייתי עם משה אהיה עמך׃
7Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8ואתה תצוה את הכהנים נשאי ארון הברית לאמר כבאכם עד קצה מי הירדן בירדן תעמדו׃
8Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
9ויאמר יהושע אל בני ישראל גשו הנה ושמעו את דברי יהוה אלהיכם׃
9Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
10ויאמר יהושע בזאת תדעון כי אל חי בקרבכם והורש יוריש מפניכם את הכנעני ואת החתי ואת החוי ואת הפרזי ואת הגרגשי והאמרי והיבוסי׃
10Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
11הנה ארון הברית אדון כל הארץ עבר לפניכם בירדן׃
11Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
12ועתה קחו לכם שני עשר איש משבטי ישראל איש אחד איש אחד לשבט׃
12koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
13והיה כנוח כפות רגלי הכהנים נשאי ארון יהוה אדון כל הארץ במי הירדן מי הירדן יכרתון המים הירדים מלמעלה ויעמדו נד אחד׃
13ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
14ויהי בנסע העם מאהליהם לעבר את הירדן והכהנים נשאי הארון הברית לפני העם׃
14Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
15וכבוא נשאי הארון עד הירדן ורגלי הכהנים נשאי הארון נטבלו בקצה המים והירדן מלא על כל גדותיו כל ימי קציר׃
15ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
16ויעמדו המים הירדים מלמעלה קמו נד אחד הרחק מאד באדם העיר אשר מצד צרתן והירדים על ים הערבה ים המלח תמו נכרתו והעם עברו נגד יריחו׃
16dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [Heb. Arabà]Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
17ויעמדו הכהנים נשאי הארון ברית יהוה בחרבה בתוך הירדן הכן וכל ישראל עברים בחרבה עד אשר תמו כל הגוי לעבר את הירדן׃
17Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.