Hebrew: Modern

Malagasy

Judges

1

1ויהי אחרי מות יהושע וישאלו בני ישראל ביהוה לאמר מי יעלה לנו אל הכנעני בתחלה להלחם בו׃
1[Ny niadian'ny Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?
2ויאמר יהוה יהודה יעלה הנה נתתי את הארץ בידו׃
2Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3ויאמר יהודה לשמעון אחיו עלה אתי בגורלי ונלחמה בכנעני והלכתי גם אני אתך בגורלך וילך אתו שמעון׃
3Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4ויעל יהודה ויתן יהוה את הכנעני והפרזי בידם ויכום בבזק עשרת אלפים איש׃
4Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5וימצאו את אדני בזק בבזק וילחמו בו ויכו את הכנעני ואת הפרזי׃
5Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6וינס אדני בזק וירדפו אחריו ויאחזו אתו ויקצצו את בהנות ידיו ורגליו׃
6Nefa nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7ויאמר אדני בזק שבעים מלכים בהנות ידיהם ורגליהם מקצצים היו מלקטים תחת שלחני כאשר עשיתי כן שלם לי אלהים ויביאהו ירושלם וימת שם׃
7Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
8וילחמו בני יהודה בירושלם וילכדו אותה ויכוה לפי חרב ואת העיר שלחו באש׃
8Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9ואחר ירדו בני יהודה להלחם בכנעני יושב ההר והנגב והשפלה׃
9Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]
10וילך יהודה אל הכנעני היושב בחברון ושם חברון לפנים קרית ארבע ויכו את ששי ואת אחימן ואת תלמי׃
10Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11וילך משם אל יושבי דביר ושם דביר לפנים קרית ספר׃
11Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
12ויאמר כלב אשר יכה את קרית ספר ולכדה ונתתי לו את עכסה בתי לאשה׃
12Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13וילכדה עתניאל בן קנז אחי כלב הקטן ממנו ויתן לו את עכסה בתו לאשה׃
13Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14ויהי בבואה ותסיתהו לשאול מאת אביה השדה ותצנח מעל החמור ויאמר לה כלב מה לך׃
14Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15ותאמר לו הבה לי ברכה כי ארץ הנגב נתתני ונתתה לי גלת מים ויתן לה כלב את גלת עלית ואת גלת תחתית׃
15Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16ובני קיני חתן משה עלו מעיר התמרים את בני יהודה מדבר יהודה אשר בנגב ערד וילך וישב את העם׃
16Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[Na: rafozan'][palma]
17וילך יהודה את שמעון אחיו ויכו את הכנעני יושב צפת ויחרימו אותה ויקרא את שם העיר חרמה׃
17Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma.[Heb. herema][Horma = Herema]
18וילכד יהודה את עזה ואת גבולה ואת אשקלון ואת גבולה ואת עקרון ואת גבולה׃
18Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19ויהי יהוה את יהודה וירש את ההר כי לא להוריש את ישבי העמק כי רכב ברזל להם׃
19Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20ויתנו לכלב את חברון כאשר דבר משה ויורש משם את שלשה בני הענק׃
20Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21ואת היבוסי ישב ירושלם לא הורישו בני בנימן וישב היבוסי את בני בנימן בירושלם עד היום הזה׃
21Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
22ויעלו בית יוסף גם הם בית אל ויהוה עמם׃
22Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23ויתירו בית יוסף בבית אל ושם העיר לפנים לוז׃
23Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
24ויראו השמרים איש יוצא מן העיר ויאמרו לו הראנו נא את מבוא העיר ועשינו עמך חסד׃
24ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25ויראם את מבוא העיר ויכו את העיר לפי חרב ואת האיש ואת כל משפחתו שלחו׃
25Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26וילך האיש ארץ החתים ויבן עיר ויקרא שמה לוז הוא שמה עד היום הזה׃
26Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
27ולא הוריש מנשה את בית שאן ואת בנותיה ואת תענך ואת בנתיה ואת ישב דור ואת בנותיה ואת יושבי יבלעם ואת בנתיה ואת יושבי מגדו ואת בנותיה ויואל הכנעני לשבת בארץ הזאת׃
27Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28ויהי כי חזק ישראל וישם את הכנעני למס והוריש לא הורישו׃
28Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29ואפרים לא הוריש את הכנעני היושב בגזר וישב הכנעני בקרבו בגזר׃
29Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30זבולן לא הוריש את יושבי קטרון ואת יושבי נהלל וישב הכנעני בקרבו ויהיו למס׃
30Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31אשר לא הוריש את ישבי עכו ואת יושבי צידון ואת אחלב ואת אכזיב ואת חלבה ואת אפיק ואת רחב׃
31Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;
32וישב האשרי בקרב הכנעני ישבי הארץ כי לא הורישו׃
32fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33נפתלי לא הוריש את ישבי בית שמש ואת ישבי בית ענת וישב בקרב הכנעני ישבי הארץ וישבי בית שמש ובית ענת היו להם למס׃
33Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34וילחצו האמרי את בני דן ההרה כי לא נתנו לרדת לעמק׃
34Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,
35ויואל האמרי לשבת בהר חרס באילון ובשעלבים ותכבד יד בית יוסף ויהיו למס׃
35fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.
36וגבול האמרי ממעלה עקרבים מהסלע ומעלה׃
36Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.