1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
1[Ny lalàna ny amin'ny habokana sy ny aretina mitovitovy aminy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2אדם כי יהיה בעור בשרו שאת או ספחת או בהרת והיה בעור בשרו לנגע צרעת והובא אל אהרן הכהן או אל אחד מבניו הכהנים׃
2Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
3וראה הכהן את הנגע בעור הבשר ושער בנגע הפך לבן ומראה הנגע עמק מעור בשרו נגע צרעת הוא וראהו הכהן וטמא אתו׃
3koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
4ואם בהרת לבנה הוא בעור בשרו ועמק אין מראה מן העור ושערה לא הפך לבן והסגיר הכהן את הנגע שבעת ימים׃
4Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
5וראהו הכהן ביום השביעי והנה הנגע עמד בעיניו לא פשה הנגע בעור והסגירו הכהן שבעת ימים שנית׃
5Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
6וראה הכהן אתו ביום השביעי שנית והנה כהה הנגע ולא פשה הנגע בעור וטהרו הכהן מספחת היא וכבס בגדיו וטהר׃
6ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
7ואם פשה תפשה המספחת בעור אחרי הראתו אל הכהן לטהרתו ונראה שנית אל הכהן׃
7Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8וראה הכהן והנה פשתה המספחת בעור וטמאו הכהן צרעת הוא׃
8Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
9נגע צרעת כי תהיה באדם והובא אל הכהן׃
9Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
10וראה הכהן והנה שאת לבנה בעור והיא הפכה שער לבן ומחית בשר חי בשאת׃
10ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
11צרעת נושנת הוא בעור בשרו וטמאו הכהן לא יסגרנו כי טמא הוא׃
11dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12ואם פרוח תפרח הצרעת בעור וכסתה הצרעת את כל עור הנגע מראשו ועד רגליו לכל מראה עיני הכהן׃
12Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
13וראה הכהן והנה כסתה הצרעת את כל בשרו וטהר את הנגע כלו הפך לבן טהור הוא׃
13ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14וביום הראות בו בשר חי יטמא׃
14Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15וראה הכהן את הבשר החי וטמאו הבשר החי טמא הוא צרעת הוא׃
15Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
16או כי ישוב הבשר החי ונהפך ללבן ובא אל הכהן׃
16Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17וראהו הכהן והנה נהפך הנגע ללבן וטהר הכהן את הנגע טהור הוא׃
17ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18ובשר כי יהיה בו בערו שחין ונרפא׃
18Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
19והיה במקום השחין שאת לבנה או בהרת לבנה אדמדמת ונראה אל הכהן׃
19ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
20וראה הכהן והנה מראה שפל מן העור ושערה הפך לבן וטמאו הכהן נגע צרעת היא בשחין פרחה׃
20Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
21ואם יראנה הכהן והנה אין בה שער לבן ושפלה איננה מן העור והיא כהה והסגירו הכהן שבעת ימים׃
21Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
22ואם פשה תפשה בעור וטמא הכהן אתו נגע הוא׃
22ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
23ואם תחתיה תעמד הבהרת לא פשתה צרבת השחין הוא וטהרו הכהן׃
23Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
24או בשר כי יהיה בערו מכות אש והיתה מחית המכוה בהרת לבנה אדמדמת או לבנה׃
24Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25וראה אתה הכהן והנה נהפך שער לבן בבהרת ומראה עמק מן העור צרעת הוא במכוה פרחה וטמא אתו הכהן נגע צרעת הוא׃
25ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
26ואם יראנה הכהן והנה אין בבהרת שער לבן ושפלה איננה מן העור והוא כהה והסגירו הכהן שבעת ימים׃
26Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
27וראהו הכהן ביום השביעי אם פשה תפשה בעור וטמא הכהן אתו נגע צרעת הוא׃
27ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28ואם תחתיה תעמד הבהרת לא פשתה בעור והוא כהה שאת המכוה הוא וטהרו הכהן כי צרבת המכוה הוא׃
28Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29ואיש או אשה כי יהיה בו נגע בראש או בזקן׃
29Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
30וראה הכהן את הנגע והנה מראהו עמק מן העור ובו שער צהב דק וטמא אתו הכהן נתק הוא צרעת הראש או הזקן הוא׃
30ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
31וכי יראה הכהן את נגע הנתק והנה אין מראהו עמק מן העור ושער שחר אין בו והסגיר הכהן את נגע הנתק שבעת ימים׃
31Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
32וראה הכהן את הנגע ביום השביעי והנה לא פשה הנתק ולא היה בו שער צהב ומראה הנתק אין עמק מן העור׃
32Ary raha zahan'ny mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
33והתגלח ואת הנתק לא יגלח והסגיר הכהן את הנתק שבעת ימים שנית׃
33dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
34וראה הכהן את הנתק ביום השביעי והנה לא פשה הנתק בעור ומראהו איננו עמק מן העור וטהר אתו הכהן וכבס בגדיו וטהר׃
34Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35ואם פשה יפשה הנתק בעור אחרי טהרתו׃
35Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36וראהו הכהן והנה פשה הנתק בעור לא יבקר הכהן לשער הצהב טמא הוא׃
36dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
37ואם בעיניו עמד הנתק ושער שחר צמח בו נרפא הנתק טהור הוא וטהרו הכהן׃
37Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
38ואיש או אשה כי יהיה בעור בשרם בהרת בהרת לבנת׃
38Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
39וראה הכהן והנה בעור בשרם בהרת כהות לבנת בהק הוא פרח בעור טהור הוא׃
39ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
40ואיש כי ימרט ראשו קרח הוא טהור הוא׃
40Ary ny amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41ואם מפאת פניו ימרט ראשו גבח הוא טהור הוא׃
41Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42וכי יהיה בקרחת או בגבחת נגע לבן אדמדם צרעת פרחת הוא בקרחתו או בגבחתו׃
42Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
43וראה אתו הכהן והנה שאת הנגע לבנה אדמדמת בקרחתו או בגבחתו כמראה צרעת עור בשר׃
43Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
44איש צרוע הוא טמא הוא טמא יטמאנו הכהן בראשו נגעו׃
44dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.
45והצרוע אשר בו הנגע בגדיו יהיו פרמים וראשו יהיה פרוע ועל שפם יעטה וטמא טמא יקרא׃
45Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46כל ימי אשר הנגע בו יטמא טמא הוא בדד ישב מחוץ למחנה מושבו׃
46Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
47והבגד כי יהיה בו נגע צרעת בבגד צמר או בבגד פשתים׃
47Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
48או בשתי או בערב לפשתים ולצמר או בעור או בכל מלאכת עור׃
48sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,
49והיה הנגע ירקרק או אדמדם בבגד או בעור או בשתי או בערב או בכל כלי עור נגע צרעת הוא והראה את הכהן׃
49raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
50וראה הכהן את הנגע והסגיר את הנגע שבעת ימים׃
50Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
51וראה את הנגע ביום השביעי כי פשה הנגע בבגד או בשתי או בערב או בעור לכל אשר יעשה העור למלאכה צרעת ממארת הנגע טמא הוא׃
51Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
52ושרף את הבגד או את השתי או את הערב בצמר או בפשתים או את כל כלי העור אשר יהיה בו הנגע כי צרעת ממארת הוא באש תשרף׃
52Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
53ואם יראה הכהן והנה לא פשה הנגע בבגד או בשתי או בערב או בכל כלי עור׃
53Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
54וצוה הכהן וכבסו את אשר בו הנגע והסגירו שבעת ימים שנית׃
54dia hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
55וראה הכהן אחרי הכבס את הנגע והנה לא הפך הנגע את עינו והנגע לא פשה טמא הוא באש תשרפנו פחתת הוא בקרחתו או בגבחתו׃
55ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
56ואם ראה הכהן והנה כהה הנגע אחרי הכבס אתו וקרע אתו מן הבגד או מן העור או מן השתי או מן הערב׃
56Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
57ואם תראה עוד בבגד או בשתי או בערב או בכל כלי עור פרחת הוא באש תשרפנו את אשר בו הנגע׃
57Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
58והבגד או השתי או הערב או כל כלי העור אשר תכבס וסר מהם הנגע וכבס שנית וטהר׃
58Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
59זאת תורת נגע צרעת בגד הצמר או הפשתים או השתי או הערב או כל כלי עור לטהרו או לטמאו׃
59Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.