Hebrew: Modern

Malagasy

Leviticus

15

1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
1[Ny lalàna ny amin'ny fitsihana sy ny fadim-bolana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2דברו אל בני ישראל ואמרתם אלהם איש איש כי יהיה זב מבשרו זובו טמא הוא׃
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3וזאת תהיה טמאתו בזובו רר בשרו את זובו או החתים בשרו מזובו טמאתו הוא׃
3Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
4כל המשכב אשר ישכב עליו הזב יטמא וכל הכלי אשר ישב עליו יטמא׃
4Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5ואיש אשר יגע במשכבו יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
5Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
6והישב על הכלי אשר ישב עליו הזב יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
6Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
7והנגע בבשר הזב יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
7Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
8וכי ירק הזב בטהור וכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
8Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
9וכל המרכב אשר ירכב עליו הזב יטמא׃
9Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
10וכל הנגע בכל אשר יהיה תחתיו יטמא עד הערב והנושא אותם יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
10Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
11וכל אשר יגע בו הזב וידיו לא שטף במים וכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
11Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
12וכלי חרש אשר יגע בו הזב ישבר וכל כלי עץ ישטף במים׃
12Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
13וכי יטהר הזב מזובו וספר לו שבעת ימים לטהרתו וכבס בגדיו ורחץ בשרו במים חיים וטהר׃
13Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
14וביום השמיני יקח לו שתי תרים או שני בני יונה ובא לפני יהוה אל פתח אהל מועד ונתנם אל הכהן׃
14Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.
15ועשה אתם הכהן אחד חטאת והאחד עלה וכפר עליו הכהן לפני יהוה מזובו׃
15Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
16ואיש כי תצא ממנו שכבת זרע ורחץ במים את כל בשרו וטמא עד הערב׃
16Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
17וכל בגד וכל עור אשר יהיה עליו שכבת זרע וכבס במים וטמא עד הערב׃
17ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
18ואשה אשר ישכב איש אתה שכבת זרע ורחצו במים וטמאו עד הערב׃
18Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
19ואשה כי תהיה זבה דם יהיה זבה בבשרה שבעת ימים תהיה בנדתה וכל הנגע בה יטמא עד הערב׃
19Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
20וכל אשר תשכב עליו בנדתה יטמא וכל אשר תשב עליו יטמא׃
20Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21וכל הנגע במשכבה יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
21Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
22וכל הנגע בכל כלי אשר תשב עליו יכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
22Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
23ואם על המשכב הוא או על הכלי אשר הוא ישבת עליו בנגעו בו יטמא עד הערב׃
23Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
24ואם שכב ישכב איש אתה ותהי נדתה עליו וטמא שבעת ימים וכל המשכב אשר ישכב עליו יטמא׃
24Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25ואשה כי יזוב זוב דמה ימים רבים בלא עת נדתה או כי תזוב על נדתה כל ימי זוב טמאתה כימי נדתה תהיה טמאה הוא׃
25Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.
26כל המשכב אשר תשכב עליו כל ימי זובה כמשכב נדתה יהיה לה וכל הכלי אשר תשב עליו טמא יהיה כטמאת נדתה׃
26Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.
27וכל הנוגע בם יטמא וכבס בגדיו ורחץ במים וטמא עד הערב׃
27Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
28ואם טהרה מזובה וספרה לה שבעת ימים ואחר תטהר׃
28Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
29וביום השמיני תקח לה שתי תרים או שני בני יונה והביאה אותם אל הכהן אל פתח אהל מועד׃
29Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
30ועשה הכהן את האחד חטאת ואת האחד עלה וכפר עליה הכהן לפני יהוה מזוב טמאתה׃
30Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
31והזרתם את בני ישראל מטמאתם ולא ימתו בטמאתם בטמאם את משכני אשר בתוכם׃
31Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
32זאת תורת הזב ואשר תצא ממנו שכבת זרע לטמאה בה׃
32Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.
33והדוה בנדתה והזב את זובו לזכר ולנקבה ולאיש אשר ישכב עם טמאה׃
33ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.