1ונפש כי תקריב קרבן מנחה ליהוה סלת יהיה קרבנו ויצק עליה שמן ונתן עליה לבנה׃
1[Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2והביאה אל בני אהרן הכהנים וקמץ משם מלא קמצו מסלתה ומשמנה על כל לבנתה והקטיר הכהן את אזכרתה המזבחה אשה ריח ניחח ליהוה׃
2Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
3והנותרת מן המנחה לאהרן ולבניו קדש קדשים מאשי יהוה׃
3Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4וכי תקרב קרבן מנחה מאפה תנור סלת חלות מצת בלולת בשמן ורקיקי מצות משחים בשמן׃
4Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5ואם מנחה על המחבת קרבנך סלת בלולה בשמן מצה תהיה׃
5Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6פתות אתה פתים ויצקת עליה שמן מנחה הוא׃
6Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7ואם מנחת מרחשת קרבנך סלת בשמן תעשה׃
7Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
8והבאת את המנחה אשר יעשה מאלה ליהוה והקריבה אל הכהן והגישה אל המזבח׃
8Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
9והרים הכהן מן המנחה את אזכרתה והקטיר המזבחה אשה ריח ניחח ליהוה׃
9Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
10והנותרת מן המנחה לאהרן ולבניו קדש קדשים מאשי יהוה׃
10Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
11כל המנחה אשר תקריבו ליהוה לא תעשה חמץ כי כל שאר וכל דבש לא תקטירו ממנו אשה ליהוה׃
11Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12קרבן ראשית תקריבו אתם ליהוה ואל המזבח לא יעלו לריח ניחח׃
12fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13וכל קרבן מנחתך במלח תמלח ולא תשבית מלח ברית אלהיך מעל מנחתך על כל קרבנך תקריב מלח׃
13Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
14ואם תקריב מנחת בכורים ליהוה אביב קלוי באש גרש כרמל תקריב את מנחת בכוריך׃
14Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15ונתת עליה שמן ושמת עליה לבנה מנחה הוא׃
15Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
16והקטיר הכהן את אזכרתה מגרשה ומשמנה על כל לבנתה אשה ליהוה׃
16Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.