1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny amin'ny fampijaliana hatao amin'izay mandika ireo lalàna ireo] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2ואל בני ישראל תאמר איש איש מבני ישראל ומן הגר הגר בישראל אשר יתן מזרעו למלך מות יומת עם הארץ ירגמהו באבן׃
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
3ואני אתן את פני באיש ההוא והכרתי אתו מקרב עמו כי מזרעו נתן למלך למען טמא את מקדשי ולחלל את שם קדשי׃
3Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
4ואם העלם יעלימו עם הארץ את עיניהם מן האיש ההוא בתתו מזרעו למלך לבלתי המית אתו׃
4Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an'i Moloka ny zanany,
5ושמתי אני את פני באיש ההוא ובמשפחתו והכרתי אתו ואת כל הזנים אחריו לזנות אחרי המלך מקרב עמם׃
5dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.
6והנפש אשר תפנה אל האבת ואל הידענים לזנות אחריהם ונתתי את פני בנפש ההוא והכרתי אתו מקרב עמו׃
6Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin'ny fireneny izy.
7והתקדשתם והייתם קדשים כי אני יהוה אלהיכם׃
7Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8ושמרתם את חקתי ועשיתם אתם אני יהוה מקדשכם׃
8Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.
9כי איש איש אשר יקלל את אביו ואת אמו מות יומת אביו ואמו קלל דמיו בו׃
9Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
10ואיש אשר ינאף את אשת איש אשר ינאף את אשת רעהו מות יומת הנאף והנאפת׃
10Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
11ואיש אשר ישכב את אשת אביו ערות אביו גלה מות יומתו שניהם דמיהם בם׃
11Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12ואיש אשר ישכב את כלתו מות יומתו שניהם תבל עשו דמיהם בם׃
12Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13ואיש אשר ישכב את זכר משכבי אשה תועבה עשו שניהם מות יומתו דמיהם בם׃
13Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
14ואיש אשר יקח את אשה ואת אמה זמה הוא באש ישרפו אתו ואתהן ולא תהיה זמה בתוככם׃
14Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
15ואיש אשר יתן שכבתו בבהמה מות יומת ואת הבהמה תהרגו׃
15Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
16ואשה אשר תקרב אל כל בהמה לרבעה אתה והרגת את האשה ואת הבהמה מות יומתו דמיהם בם׃
16Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
17ואיש אשר יקח את אחתו בת אביו או בת אמו וראה את ערותה והיא תראה את ערותו חסד הוא ונכרתו לעיני בני עמם ערות אחתו גלה עונו ישא׃
17Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
18ואיש אשר ישכב את אשה דוה וגלה את ערותה את מקרה הערה והיא גלתה את מקור דמיה ונכרתו שניהם מקרב עמם׃
18Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
19וערות אחות אמך ואחות אביך לא תגלה כי את שארו הערה עונם ישאו׃
19Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
20ואיש אשר ישכב את דדתו ערות דדו גלה חטאם ישאו ערירים ימתו׃
20Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21ואיש אשר יקח את אשת אחיו נדה הוא ערות אחיו גלה ערירים יהיו׃
21Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22ושמרתם את כל חקתי ואת כל משפטי ועשיתם אתם ולא תקיא אתכם הארץ אשר אני מביא אתכם שמה לשבת בה׃
22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
23ולא תלכו בחקת הגוי אשר אני משלח מפניכם כי את כל אלה עשו ואקץ בם׃
23Ary aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
24ואמר לכם אתם תירשו את אדמתם ואני אתננה לכם לרשת אתה ארץ זבת חלב ודבש אני יהוה אלהיכם אשר הבדלתי אתכם מן העמים׃
24Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.
25והבדלתם בין הבהמה הטהרה לטמאה ובין העוף הטמא לטהר ולא תשקצו את נפשתיכם בבהמה ובעוף ובכל אשר תרמש האדמה אשר הבדלתי לכם לטמא׃
25Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26והייתם לי קדשים כי קדוש אני יהוה ואבדל אתכם מן העמים להיות לי׃
26Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
27ואיש או אשה כי יהיה בהם אוב או ידעני מות יומתו באבן ירגמו אתם דמיהם בם׃
27Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.