1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2דבר אל בני ישראל ואמרת אלהם מועדי יהוה אשר תקראו אתם מקראי קדש אלה הם מועדי׃
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
3ששת ימים תעשה מלאכה וביום השביעי שבת שבתון מקרא קדש כל מלאכה לא תעשו שבת הוא ליהוה בכל מושבתיכם׃
3Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
4אלה מועדי יהוה מקראי קדש אשר תקראו אתם במועדם׃
4Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy:
5בחדש הראשון בארבעה עשר לחדש בין הערבים פסח ליהוה׃
5Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
6ובחמשה עשר יום לחדש הזה חג המצות ליהוה שבעת ימים מצות תאכלו׃
6Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
7ביום הראשון מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
7Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
8והקרבתם אשה ליהוה שבעת ימים ביום השביעי מקרא קדש כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
8fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9וידבר יהוה אל משה לאמר׃
9Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10דבר אל בני ישראל ואמרת אלהם כי תבאו אל הארץ אשר אני נתן לכם וקצרתם את קצירה והבאתם את עמר ראשית קצירכם אל הכהן׃
10Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo;
11והניף את העמר לפני יהוה לרצנכם ממחרת השבת יניפנו הכהן׃
11ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.
12ועשיתם ביום הניפכם את העמר כבש תמים בן שנתו לעלה ליהוה׃
12Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
13ומנחתו שני עשרנים סלת בלולה בשמן אשה ליהוה ריח ניחח ונסכה יין רביעת ההין׃
13Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
14ולחם וקלי וכרמל לא תאכלו עד עצם היום הזה עד הביאכם את קרבן אלהיכם חקת עולם לדרתיכם בכל משבתיכם׃
14Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
15וספרתם לכם ממחרת השבת מיום הביאכם את עמר התנופה שבע שבתות תמימת תהיינה׃
15Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
16עד ממחרת השבת השביעת תספרו חמשים יום והקרבתם מנחה חדשה ליהוה׃
16Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.
17ממושבתיכם תביאו לחם תנופה שתים שני עשרנים סלת תהיינה חמץ תאפינה בכורים ליהוה׃
17Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.
18והקרבתם על הלחם שבעת כבשים תמימם בני שנה ופר בן בקר אחד ואילם שנים יהיו עלה ליהוה ומנחתם ונסכיהם אשה ריח ניחח ליהוה׃
18Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
19ועשיתם שעיר עזים אחד לחטאת ושני כבשים בני שנה לזבח שלמים׃
19Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
20והניף הכהן אתם על לחם הבכורים תנופה לפני יהוה על שני כבשים קדש יהיו ליהוה לכהן׃
20Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.
21וקראתם בעצם היום הזה מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו חקת עולם בכל מושבתיכם לדרתיכם׃
21Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
22ובקצרכם את קציר ארצכם לא תכלה פאת שדך בקצרך ולקט קצירך לא תלקט לעני ולגר תעזב אתם אני יהוה אלהיכם׃
22Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23וידבר יהוה אל משה לאמר׃
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24דבר אל בני ישראל לאמר בחדש השביעי באחד לחדש יהיה לכם שבתון זכרון תרועה מקרא קדש׃
24Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
25כל מלאכת עבדה לא תעשו והקרבתם אשה ליהוה׃
25Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
26וידבר יהוה אל משה לאמר׃
26Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
27אך בעשור לחדש השביעי הזה יום הכפרים הוא מקרא קדש יהיה לכם ועניתם את נפשתיכם והקרבתם אשה ליהוה׃
27Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28וכל מלאכה לא תעשו בעצם היום הזה כי יום כפרים הוא לכפר עליכם לפני יהוה אלהיכם׃
28Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.
29כי כל הנפש אשר לא תענה בעצם היום הזה ונכרתה מעמיה׃
29Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
30וכל הנפש אשר תעשה כל מלאכה בעצם היום הזה והאבדתי את הנפש ההוא מקרב עמה׃
30Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.
31כל מלאכה לא תעשו חקת עולם לדרתיכם בכל משבתיכם׃
31Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.
32שבת שבתון הוא לכם ועניתם את נפשתיכם בתשעה לחדש בערב מערב עד ערב תשבתו שבתכם׃
32Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
33וידבר יהוה אל משה לאמר׃
33Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
34דבר אל בני ישראל לאמר בחמשה עשר יום לחדש השביעי הזה חג הסכות שבעת ימים ליהוה׃
34Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah.
35ביום הראשון מקרא קדש כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
35Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.
36שבעת ימים תקריבו אשה ליהוה ביום השמיני מקרא קדש יהיה לכם והקרבתם אשה ליהוה עצרת הוא כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
36Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
37אלה מועדי יהוה אשר תקראו אתם מקראי קדש להקריב אשה ליהוה עלה ומנחה זבח ונסכים דבר יום ביומו׃
37Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,
38מלבד שבתת יהוה ומלבד מתנותיכם ומלבד כל נדריכם ומלבד כל נדבותיכם אשר תתנו ליהוה׃
38afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah.
39אך בחמשה עשר יום לחדש השביעי באספכם את תבואת הארץ תחגו את חג יהוה שבעת ימים ביום הראשון שבתון וביום השמיני שבתון׃
39Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
40ולקחתם לכם ביום הראשון פרי עץ הדר כפת תמרים וענף עץ עבת וערבי נחל ושמחתם לפני יהוה אלהיכם שבעת ימים׃
40Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
41וחגתם אתו חג ליהוה שבעת ימים בשנה חקת עולם לדרתיכם בחדש השביעי תחגו אתו׃
41Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
42בסכת תשבו שבעת ימים כל האזרח בישראל ישבו בסכת׃
42Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
43למען ידעו דרתיכם כי בסכות הושבתי את בני ישראל בהוציאי אותם מארץ מצרים אני יהוה אלהיכם׃
43mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
44וידבר משה את מעדי יהוה אל בני ישראל׃
44Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.