Hebrew: Modern

Malagasy

Leviticus

8

1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny nanokanana an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2קח את אהרן ואת בניו אתו ואת הבגדים ואת שמן המשחה ואת פר החטאת ואת שני האילים ואת סל המצות׃
2Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
3ואת כל העדה הקהל אל פתח אהל מועד׃
3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
4ויעש משה כאשר צוה יהוה אתו ותקהל העדה אל פתח אהל מועד׃
4Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
5ויאמר משה אל העדה זה הדבר אשר צוה יהוה לעשות׃
5Ary hoy Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah.
6ויקרב משה את אהרן ואת בניו וירחץ אתם במים׃
6Ary Arona sy ny zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
7ויתן עליו את הכתנת ויחגר אתו באבנט וילבש אתו את המעיל ויתן עליו את האפד ויחגר אתו בחשב האפד ויאפד לו בו׃
7Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
8וישם עליו את החשן ויתן אל החשן את האורים ואת התמים׃
8Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9וישם את המצנפת על ראשו וישם על המצנפת אל מול פניו את ציץ הזהב נזר הקדש כאשר צוה יהוה את משה׃
9Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10ויקח משה את שמן המשחה וימשח את המשכן ואת כל אשר בו ויקדש אתם׃
10Ary nalain'i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
11ויז ממנו על המזבח שבע פעמים וימשח את המזבח ואת כל כליו ואת הכיר ואת כנו לקדשם׃
11Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
12ויצק משמן המשחה על ראש אהרן וימשח אתו לקדשו׃
12Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
13ויקרב משה את בני אהרן וילבשם כתנת ויחגר אתם אבנט ויחבש להם מגבעות כאשר צוה יהוה את משה׃
13Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
14ויגש את פר החטאת ויסמך אהרן ובניו את ידיהם על ראש פר החטאת׃
14Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
15וישחט ויקח משה את הדם ויתן על קרנות המזבח סביב באצבעו ויחטא את המזבח ואת הדם יצק אל יסוד המזבח ויקדשהו לכפר עליו׃
15Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
16ויקח את כל החלב אשר על הקרב ואת יתרת הכבד ואת שתי הכלית ואת חלבהן ויקטר משה המזבחה׃
16Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
17ואת הפר ואת ערו ואת בשרו ואת פרשו שרף באש מחוץ למחנה כאשר צוה יהוה את משה׃
17Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
18ויקרב את איל העלה ויסמכו אהרן ובניו את ידיהם על ראש האיל׃
18Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
19וישחט ויזרק משה את הדם על המזבח סביב׃
19Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
20ואת האיל נתח לנתחיו ויקטר משה את הראש ואת הנתחים ואת הפדר׃
20Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
21ואת הקרב ואת הכרעים רחץ במים ויקטר משה את כל האיל המזבחה עלה הוא לריח ניחח אשה הוא ליהוה כאשר צוה יהוה את משה׃
21Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22ויקרב את האיל השני איל המלאים ויסמכו אהרן ובניו את ידיהם על ראש האיל׃
22Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
23וישחט ויקח משה מדמו ויתן על תנוך אזן אהרן הימנית ועל בהן ידו הימנית ועל בהן רגלו הימנית׃
23Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
24ויקרב את בני אהרן ויתן משה מן הדם על תנוך אזנם הימנית ועל בהן ידם הימנית ועל בהן רגלם הימנית ויזרק משה את הדם על המזבח סביב׃
24Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
25ויקח את החלב ואת האליה ואת כל החלב אשר על הקרב ואת יתרת הכבד ואת שתי הכלית ואת חלבהן ואת שוק הימין׃
25Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
26ומסל המצות אשר לפני יהוה לקח חלת מצה אחת וחלת לחם שמן אחת ורקיק אחד וישם על החלבים ועל שוק הימין׃
26Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
27ויתן את הכל על כפי אהרן ועל כפי בניו וינף אתם תנופה לפני יהוה׃
27Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
28ויקח משה אתם מעל כפיהם ויקטר המזבחה על העלה מלאים הם לריח ניחח אשה הוא ליהוה׃
28Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
29ויקח משה את החזה ויניפהו תנופה לפני יהוה מאיל המלאים למשה היה למנה כאשר צוה יהוה את משה׃
29Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
30ויקח משה משמן המשחה ומן הדם אשר על המזבח ויז על אהרן על בגדיו ועל בניו ועל בגדי בניו אתו ויקדש את אהרן את בגדיו ואת בניו ואת בגדי בניו אתו׃
30Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.
31ויאמר משה אל אהרן ואל בניו בשלו את הבשר פתח אהל מועד ושם תאכלו אתו ואת הלחם אשר בסל המלאים כאשר צויתי לאמר אהרן ובניו יאכלהו׃
31Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
32והנותר בבשר ובלחם באש תשרפו׃
32Ary izay sisa amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
33ומפתח אהל מועד לא תצאו שבעת ימים עד יום מלאת ימי מלאיכם כי שבעת ימים ימלא את ידכם׃
33Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
34כאשר עשה ביום הזה צוה יהוה לעשת לכפר עליכם׃
34Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
35ופתח אהל מועד תשבו יומם ולילה שבעת ימים ושמרתם את משמרת יהוה ולא תמותו כי כן צויתי׃
35Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
36ויעש אהרן ובניו את כל הדברים אשר צוה יהוה ביד משה׃
36Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.