Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

19

1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
1[Ny lalàna ny amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2זאת חקת התורה אשר צוה יהוה לאמר דבר אל בני ישראל ויקחו אליך פרה אדמה תמימה אשר אין בה מום אשר לא עלה עליה על׃
2Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.
3ונתתם אתה אל אלעזר הכהן והוציא אתה אל מחוץ למחנה ושחט אתה לפניו׃
3Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
4ולקח אלעזר הכהן מדמה באצבעו והזה אל נכח פני אהל מועד מדמה שבע פעמים׃
4Dia hanalan'i Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.
5ושרף את הפרה לעיניו את ערה ואת בשרה ואת דמה על פרשה ישרף׃
5Dia hodorana eo imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin'ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.
6ולקח הכהן עץ ארז ואזוב ושני תולעת והשליך אל תוך שרפת הפרה׃
6Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo andoroana ny vantotr'ombivavy.
7וכבס בגדיו הכהן ורחץ בשרו במים ואחר יבוא אל המחנה וטמא הכהן עד הערב׃
7Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.
8והשרף אתה יכבס בגדיו במים ורחץ בשרו במים וטמא עד הערב׃
8Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
9ואסף איש טהור את אפר הפרה והניח מחוץ למחנה במקום טהור והיתה לעדת בני ישראל למשמרת למי נדה חטאת הוא׃
9Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
10וכבס האסף את אפר הפרה את בגדיו וטמא עד הערב והיתה לבני ישראל ולגר הגר בתוכם לחקת עולם׃
10Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
11הנגע במת לכל נפש אדם וטמא שבעת ימים׃
11Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.
12הוא יתחטא בו ביום השלישי וביום השביעי יטהר ואם לא יתחטא ביום השלישי וביום השביעי לא יטהר׃
12Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.
13כל הנגע במת בנפש האדם אשר ימות ולא יתחטא את משכן יהוה טמא ונכרתה הנפש ההוא מישראל כי מי נדה לא זרק עליו טמא יהיה עוד טמאתו בו׃
13Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
14זאת התורה אדם כי ימות באהל כל הבא אל האהל וכל אשר באהל יטמא שבעת ימים׃
14Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.
15וכל כלי פתוח אשר אין צמיד פתיל עליו טמא הוא׃
15Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
16וכל אשר יגע על פני השדה בחלל חרב או במת או בעצם אדם או בקבר יטמא שבעת ימים׃
16Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana.
17ולקחו לטמא מעפר שרפת החטאת ונתן עליו מים חיים אל כלי׃
17Dia hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.
18ולקח אזוב וטבל במים איש טהור והזה על האהל ועל כל הכלים ועל הנפשות אשר היו שם ועל הנגע בעצם או בחלל או במת או בקבר׃
18Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.
19והזה הטהר על הטמא ביום השלישי וביום השביעי וחטאו ביום השביעי וכבס בגדיו ורחץ במים וטהר בערב׃
19Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.
20ואיש אשר יטמא ולא יתחטא ונכרתה הנפש ההוא מתוך הקהל כי את מקדש יהוה טמא מי נדה לא זרק עליו טמא הוא׃
20Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
21והיתה להם לחקת עולם ומזה מי הנדה יכבס בגדיו והנגע במי הנדה יטמא עד הערב׃
21Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.
22וכל אשר יגע בו הטמא יטמא והנפש הנגעת תטמא עד הערב׃
22Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.