Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

2

1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
1[Ny filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2איש על דגלו באתת לבית אבתם יחנו בני ישראל מנגד סביב לאהל מועד יחנו׃
2Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
3והחנים קדמה מזרחה דגל מחנה יהודה לצבאתם ונשיא לבני יהודה נחשון בן עמינדב׃
3Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4וצבאו ופקדיהם ארבעה ושבעים אלף ושש מאות׃
4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5והחנים עליו מטה יששכר ונשיא לבני יששכר נתנאל בן צוער׃
5Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
6וצבאו ופקדיו ארבעה וחמשים אלף וארבע מאות׃
6ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7מטה זבולן ונשיא לבני זבולן אליאב בן חלן׃
7Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
8וצבאו ופקדיו שבעה וחמשים אלף וארבע מאות׃
8ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9כל הפקדים למחנה יהודה מאת אלף ושמנים אלף וששת אלפים וארבע מאות לצבאתם ראשנה יסעו׃
9Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
10דגל מחנה ראובן תימנה לצבאתם ונשיא לבני ראובן אליצור בן שדיאור׃
10Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11וצבאו ופקדיו ששה וארבעים אלף וחמש מאות׃
11ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12והחונם עליו מטה שמעון ונשיא לבני שמעון שלמיאל בן צורי שדי׃
12Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13וצבאו ופקדיהם תשעה וחמשים אלף ושלש מאות׃
13ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14ומטה גד ונשיא לבני גד אליסף בן דעואל׃
14Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15וצבאו ופקדיהם חמשה וארבעים אלף ושש מאות וחמשים׃
15ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
16כל הפקדים למחנה ראובן מאת אלף ואחד וחמשים אלף וארבע מאות וחמשים לצבאתם ושנים יסעו׃
16Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
17ונסע אהל מועד מחנה הלוים בתוך המחנת כאשר יחנו כן יסעו איש על ידו לדגליהם׃
17Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
18דגל מחנה אפרים לצבאתם ימה ונשיא לבני אפרים אלישמע בן עמיהוד׃
18Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19וצבאו ופקדיהם ארבעים אלף וחמש מאות׃
19ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20ועליו מטה מנשה ונשיא לבני מנשה גמליאל בן פדהצור׃
20Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
21וצבאו ופקדיהם שנים ושלשים אלף ומאתים׃
21ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22ומטה בנימן ונשיא לבני בנימן אבידן בן גדעני׃
22Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
23וצבאו ופקדיהם חמשה ושלשים אלף וארבע מאות׃
23ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24כל הפקדים למחנה אפרים מאת אלף ושמנת אלפים ומאה לצבאתם ושלשים יסעו׃
24Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25דגל מחנה דן צפנה לצבאתם ונשיא לבני דן אחיעזר בן עמישדי׃
25Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26וצבאו ופקדיהם שנים וששים אלף ושבע מאות׃
26ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27והחנים עליו מטה אשר ונשיא לבני אשר פגעיאל בן עכרן׃
27Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
28וצבאו ופקדיהם אחד וארבעים אלף וחמש מאות׃
28ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29ומטה נפתלי ונשיא לבני נפתלי אחירע בן עינן׃
29Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30וצבאו ופקדיהם שלשה וחמשים אלף וארבע מאות׃
30ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31כל הפקדים למחנה דן מאת אלף ושבעה וחמשים אלף ושש מאות לאחרנה יסעו לדגליהם׃
31Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
32אלה פקודי בני ישראל לבית אבתם כל פקודי המחנת לצבאתם שש מאות אלף ושלשת אלפים וחמש מאות וחמשים׃
32Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33והלוים לא התפקדו בתוך בני ישראל כאשר צוה יהוה את משה׃
33Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
34ויעשו בני ישראל ככל אשר צוה יהוה את משה כן חנו לדגליהם וכן נסעו איש למשפחתיו על בית אבתיו׃
34Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.