1ובחדש השביעי באחד לחדש מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו יום תרועה יהיה לכם׃
1Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2ועשיתם עלה לריח ניחח ליהוה פר בן בקר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם׃
2Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
3ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר שני עשרנים לאיל׃
3ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
4ועשרון אחד לכבש האחד לשבעת הכבשים׃
4ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
5ושעיר עזים אחד חטאת לכפר עליכם׃
5ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6מלבד עלת החדש ומנחתה ועלת התמיד ומנחתה ונסכיהם כמשפטם לריח ניחח אשה ליהוה׃
6ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7ובעשור לחדש השביעי הזה מקרא קדש יהיה לכם ועניתם את נפשתיכם כל מלאכה לא תעשו׃
7Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
8והקרבתם עלה ליהוה ריח ניחח פר בן בקר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם יהיו לכם׃
8Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
9ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר שני עשרנים לאיל האחד׃
9ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
10עשרון עשרון לכבש האחד לשבעת הכבשים׃
10ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
11שעיר עזים אחד חטאת מלבד חטאת הכפרים ועלת התמיד ומנחתה ונסכיהם׃
11ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
12ובחמשה עשר יום לחדש השביעי מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו וחגתם חג ליהוה שבעת ימים׃
12Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
13והקרבתם עלה אשה ריח ניחח ליהוה פרים בני בקר שלשה עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם יהיו׃
13Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
14ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר האחד לשלשה עשר פרים שני עשרנים לאיל האחד לשני האילם׃
14ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15ועשרון עשרון לכבש האחד לארבעה עשר כבשים׃
15ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
16ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
16ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17וביום השני פרים בני בקר שנים עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
17Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
18ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
19ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכיהם׃
19ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20וביום השלישי פרים עשתי עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
20Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
21ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
22ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
22ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23וביום הרביעי פרים עשרה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
23Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
24מנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
24ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
25ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
25ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26וביום החמישי פרים תשעה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
26Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
27ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
27ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
28ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
28ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29וביום הששי פרים שמנה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
29Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
30ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
30ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
31ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכיה׃
31ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
32וביום השביעי פרים שבעה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
32Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
33ומנחתם ונסכהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפטם׃
33ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
34ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
34ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35ביום השמיני עצרת תהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
35Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36והקרבתם עלה אשה ריח ניחח ליהוה פר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם׃
36Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
37מנחתם ונסכיהם לפר לאיל ולכבשים במספרם כמשפט׃
37ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
38ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
38ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
39אלה תעשו ליהוה במועדיכם לבד מנדריכם ונדבתיכם לעלתיכם ולמנחתיכם ולנסכיכם ולשלמיכם׃
39Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
40ויאמר משה אל בני ישראל ככל אשר צוה יהוה את משה׃