1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2נקם נקמת בני ישראל מאת המדינים אחר תאסף אל עמיך׃
2Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao.
3וידבר משה אל העם לאמר החלצו מאתכם אנשים לצבא ויהיו על מדין לתת נקמת יהוה במדין׃
3Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
4אלף למטה אלף למטה לכל מטות ישראל תשלחו לצבא׃
4Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
5וימסרו מאלפי ישראל אלף למטה שנים עשר אלף חלוצי צבא׃
5Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
6וישלח אתם משה אלף למטה לצבא אתם ואת פינחס בן אלעזר הכהן לצבא וכלי הקדש וחצצרות התרועה בידו׃
6Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
7ויצבאו על מדין כאשר צוה יהוה את משה ויהרגו כל זכר׃
7Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
8ואת מלכי מדין הרגו על חלליהם את אוי ואת רקם ואת צור ואת חור ואת רבע חמשת מלכי מדין ואת בלעם בן בעור הרגו בחרב׃
8ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.
9וישבו בני ישראל את נשי מדין ואת טפם ואת כל בהמתם ואת כל מקנהם ואת כל חילם בזזו׃
9Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
10ואת כל עריהם במושבתם ואת כל טירתם שרפו באש׃
10Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.
11ויקחו את כל השלל ואת כל המלקוח באדם ובבהמה׃
11Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
12ויבאו אל משה ואל אלעזר הכהן ואל עדת בני ישראל את השבי ואת המלקוח ואת השלל אל המחנה אל ערבת מואב אשר על ירדן ירחו׃
12dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
13ויצאו משה ואלעזר הכהן וכל נשיאי העדה לקראתם אל מחוץ למחנה׃
13Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.
14ויקצף משה על פקודי החיל שרי האלפים ושרי המאות הבאים מצבא המלחמה׃
14Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
15ויאמר אליהם משה החייתם כל נקבה׃
15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
16הן הנה היו לבני ישראל בדבר בלעם למסר מעל ביהוה על דבר פעור ותהי המגפה בעדת יהוה׃
16Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
17ועתה הרגו כל זכר בטף וכל אשה ידעת איש למשכב זכר הרגו׃
17Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
18וכל הטף בנשים אשר לא ידעו משכב זכר החיו לכם׃
18Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
19ואתם חנו מחוץ למחנה שבעת ימים כל הרג נפש וכל נגע בחלל תתחטאו ביום השלישי וביום השביעי אתם ושביכם׃
19Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
20וכל בגד וכל כלי עור וכל מעשה עזים וכל כלי עץ תתחטאו׃
20Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
21ויאמר אלעזר הכהן אל אנשי הצבא הבאים למלחמה זאת חקת התורה אשר צוה יהוה את משה׃
21Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:
22אך את הזהב ואת הכסף את הנחשת את הברזל את הבדיל ואת העפרת׃
22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
23כל דבר אשר יבא באש תעבירו באש וטהר אך במי נדה יתחטא וכל אשר לא יבא באש תעבירו במים׃
23dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.
24וכבסתם בגדיכם ביום השביעי וטהרתם ואחר תבאו אל המחנה׃
24Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.
25ויאמר יהוה אל משה לאמר׃
25Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26שא את ראש מלקוח השבי באדם ובבהמה אתה ואלעזר הכהן וראשי אבות העדה׃
26Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
27וחצית את המלקוח בין תפשי המלחמה היצאים לצבא ובין כל העדה׃
27ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
28והרמת מכס ליהוה מאת אנשי המלחמה היצאים לצבא אחד נפש מחמש המאות מן האדם ומן הבקר ומן החמרים ומן הצאן׃
28kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
29ממחציתם תקחו ונתתה לאלעזר הכהן תרומת יהוה׃
29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.
30וממחצת בני ישראל תקח אחד אחז מן החמשים מן האדם מן הבקר מן החמרים ומן הצאן מכל הבהמה ונתתה אתם ללוים שמרי משמרת משכן יהוה׃
30Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
31ויעש משה ואלעזר הכהן כאשר צוה יהוה את משה׃
31Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32ויהי המלקוח יתר הבז אשר בזזו עם הצבא צאן שש מאות אלף ושבעים אלף וחמשת אלפים׃
32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
33ובקר שנים ושבעים אלף׃
33sy omby roa arivo amby fito alina,
34וחמרים אחד וששים אלף׃
34sy boriky arivo amby enina alina,
35ונפש אדם מן הנשים אשר לא ידעו משכב זכר כל נפש שנים ושלשים אלף׃
35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36ותהי המחצה חלק היצאים בצבא מספר הצאן שלש מאות אלף ושלשים אלף ושבעת אלפים וחמש מאות׃
36Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
37ויהי המכס ליהוה מן הצאן שש מאות חמש ושבעים׃
37ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
38והבקר ששה ושלשים אלף ומכסם ליהוה שנים ושבעים׃
38Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.
39וחמרים שלשים אלף וחמש מאות ומכסם ליהוה אחד וששים׃
39Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.
40ונפש אדם ששה עשר אלף ומכסם ליהוה שנים ושלשים נפש׃
40Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
41ויתן משה את מכס תרומת יהוה לאלעזר הכהן כאשר צוה יהוה את משה׃
41Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
42וממחצית בני ישראל אשר חצה משה מן האנשים הצבאים׃
42Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika
43ותהי מחצת העדה מן הצאן שלש מאות אלף ושלשים אלף שבעת אלפים וחמש מאות׃
43(fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
44ובקר ששה ושלשים אלף׃
44sy omby enina arivo amby telo alina,
45וחמרים שלשים אלף וחמש מאות׃
45sy boriky diman-jato amby telo alina,
46ונפש אדם ששה עשר אלף׃
46ary olona enina arivo amby iray alina),
47ויקח משה ממחצת בני ישראל את האחז אחד מן החמשים מן האדם ומן הבהמה ויתן אתם ללוים שמרי משמרת משכן יהוה כאשר צוה יהוה את משה׃
47ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
48ויקרבו אל משה הפקדים אשר לאלפי הצבא שרי האלפים ושרי המאות׃
48Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy
49ויאמרו אל משה עבדיך נשאו את ראש אנשי המלחמה אשר בידנו ולא נפקד ממנו איש׃
49ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
50ונקרב את קרבן יהוה איש אשר מצא כלי זהב אצעדה וצמיד טבעת עגיל וכומז לכפר על נפשתינו לפני יהוה׃
50koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
51ויקח משה ואלעזר הכהן את הזהב מאתם כל כלי מעשה׃
51Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
52ויהי כל זהב התרומה אשר הרימו ליהוה ששה עשר אלף שבע מאות וחמשים שקל מאת שרי האלפים ומאת שרי המאות׃
52Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
53אנשי הצבא בזזו איש לו׃
53(fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
54ויקח משה ואלעזר הכהן את הזהב מאת שרי האלפים והמאות ויבאו אתו אל אהל מועד זכרון לבני ישראל לפני יהוה׃
54Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.