Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

4

1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
1[Ny raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2נשא את ראש בני קהת מתוך בני לוי למשפחתם לבית אבתם׃
2Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה כל בא לצבא לעשות מלאכה באהל מועד׃
3hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4זאת עבדת בני קהת באהל מועד קדש הקדשים׃
4Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:
5ובא אהרן ובניו בנסע המחנה והורדו את פרכת המסך וכסו בה את ארן העדת׃
5Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6ונתנו עליו כסוי עור תחש ופרשו בגד כליל תכלת מלמעלה ושמו בדיו׃
6ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7ועל שלחן הפנים יפרשו בגד תכלת ונתנו עליו את הקערת ואת הכפת ואת המנקית ואת קשות הנסך ולחם התמיד עליו יהיה׃
7Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8ופרשו עליהם בגד תולעת שני וכסו אתו במכסה עור תחש ושמו את בדיו׃
8Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9ולקחו בגד תכלת וכסו את מנרת המאור ואת נרתיה ואת מלקחיה ואת מחתתיה ואת כל כלי שמנה אשר ישרתו לה בהם׃
9Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10ונתנו אתה ואת כל כליה אל מכסה עור תחש ונתנו על המוט׃
10ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11ועל מזבח הזהב יפרשו בגד תכלת וכסו אתו במכסה עור תחש ושמו את בדיו׃
11Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12ולקחו את כל כלי השרת אשר ישרתו בם בקדש ונתנו אל בגד תכלת וכסו אותם במכסה עור תחש ונתנו על המוט׃
12dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13ודשנו את המזבח ופרשו עליו בגד ארגמן׃
13Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14ונתנו עליו את כל כליו אשר ישרתו עליו בהם את המחתת את המזלגת ואת היעים ואת המזרקת כל כלי המזבח ופרשו עליו כסוי עור תחש ושמו בדיו׃
14Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15וכלה אהרן ובניו לכסת את הקדש ואת כל כלי הקדש בנסע המחנה ואחרי כן יבאו בני קהת לשאת ולא יגעו אל הקדש ומתו אלה משא בני קהת באהל מועד׃
15Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
16ופקדת אלעזר בן אהרן הכהן שמן המאור וקטרת הסמים ומנחת התמיד ושמן המשחה פקדת כל המשכן וכל אשר בו בקדש ובכליו׃
16Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
17וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר׃
17Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18אל תכריתו את שבט משפחת הקהתי מתוך הלוים׃
18Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19וזאת עשו להם וחיו ולא ימתו בגשתם את קדש הקדשים אהרן ובניו יבאו ושמו אותם איש איש על עבדתו ואל משאו׃
19fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20ולא יבאו לראות כבלע את הקדש ומתו׃
20fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
21וידבר יהוה אל משה לאמר׃
21Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22נשא את ראש בני גרשון גם הם לבית אבתם למשפחתם׃
22Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23מבן שלשים שנה ומעלה עד בן חמשים שנה תפקד אותם כל הבא לצבא צבא לעבד עבדה באהל מועד׃
23ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
24זאת עבדת משפחת הגרשני לעבד ולמשא׃
24Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25ונשאו את יריעת המשכן ואת אהל מועד מכסהו ומכסה התחש אשר עליו מלמעלה ואת מסך פתח אהל מועד׃
25ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26ואת קלעי החצר ואת מסך פתח שער החצר אשר על המשכן ועל המזבח סביב ואת מיתריהם ואת כל כלי עבדתם ואת כל אשר יעשה להם ועבדו׃
26ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27על פי אהרן ובניו תהיה כל עבדת בני הגרשני לכל משאם ולכל עבדתם ופקדתם עלהם במשמרת את כל משאם׃
27Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28זאת עבדת משפחת בני הגרשני באהל מועד ומשמרתם ביד איתמר בן אהרן הכהן׃
28Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
29בני מררי למשפחתם לבית אבתם תפקד אתם׃
29Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה תפקדם כל הבא לצבא לעבד את עבדת אהל מועד׃
30ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31וזאת משמרת משאם לכל עבדתם באהל מועד קרשי המשכן ובריחיו ועמודיו ואדניו׃
31Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32ועמודי החצר סביב ואדניהם ויתדתם ומיתריהם לכל כליהם ולכל עבדתם ובשמת תפקדו את כלי משמרת משאם׃
32sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33זאת עבדת משפחת בני מררי לכל עבדתם באהל מועד ביד איתמר בן אהרן הכהן׃
33Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34ויפקד משה ואהרן ונשיאי העדה את בני הקהתי למשפחתם ולבית אבתם׃
34Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
35מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה כל הבא לצבא לעבדה באהל מועד׃
35hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36ויהיו פקדיהם למשפחתם אלפים שבע מאות וחמשים׃
36Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37אלה פקודי משפחת הקהתי כל העבד באהל מועד אשר פקד משה ואהרן על פי יהוה ביד משה׃
37Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38ופקודי בני גרשון למשפחותם ולבית אבתם׃
38Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה כל הבא לצבא לעבדה באהל מועד׃
39hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40ויהיו פקדיהם למשפחתם לבית אבתם אלפים ושש מאות ושלשים׃
40izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41אלה פקודי משפחת בני גרשון כל העבד באהל מועד אשר פקד משה ואהרן על פי יהוה׃
41Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
42ופקודי משפחת בני מררי למשפחתם לבית אבתם׃
42Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה כל הבא לצבא לעבדה באהל מועד׃
43hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44ויהיו פקדיהם למשפחתם שלשת אלפים ומאתים׃
44izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45אלה פקודי משפחת בני מררי אשר פקד משה ואהרן על פי יהוה ביד משה׃
45ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46כל הפקדים אשר פקד משה ואהרן ונשיאי ישראל את הלוים למשפחתם ולבית אבתם׃
46Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47מבן שלשים שנה ומעלה ועד בן חמשים שנה כל הבא לעבד עבדת עבדה ועבדת משא באהל מועד׃
47hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
48ויהיו פקדיהם שמנת אלפים וחמש מאות ושמנים׃
48izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
49על פי יהוה פקד אותם ביד משה איש איש על עבדתו ועל משאו ופקדיו אשר צוה יהוה את משה׃
49Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.