Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

6

1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny lalàna ny amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2דבר אל בני ישראל ואמרת אלהם איש או אשה כי יפלא לנדר נדר נזיר להזיר ליהוה׃
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
3מיין ושכר יזיר חמץ יין וחמץ שכר לא ישתה וכל משרת ענבים לא ישתה וענבים לחים ויבשים לא יאכל׃
3dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
4כל ימי נזרו מכל אשר יעשה מגפן היין מחרצנים ועד זג לא יאכל׃
4Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy.
5כל ימי נדר נזרו תער לא יעבר על ראשו עד מלאת הימם אשר יזיר ליהוה קדש יהיה גדל פרע שער ראשו׃
5Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.
6כל ימי הזירו ליהוה על נפש מת לא יבא׃
6Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7לאביו ולאמו לאחיו ולאחתו לא יטמא להם במתם כי נזר אלהיו על ראשו׃
7aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.
8כל ימי נזרו קדש הוא ליהוה׃
8Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
9וכי ימות מת עליו בפתע פתאם וטמא ראש נזרו וגלח ראשו ביום טהרתו ביום השביעי יגלחנו׃
9Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy;
10וביום השמיני יבא שתי תרים או שני בני יונה אל הכהן אל פתח אהל מועד׃
10ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
11ועשה הכהן אחד לחטאת ואחד לעלה וכפר עליו מאשר חטא על הנפש וקדש את ראשו ביום ההוא׃
11Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
12והזיר ליהוה את ימי נזרו והביא כבש בן שנתו לאשם והימים הראשנים יפלו כי טמא נזרו׃
12Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
13וזאת תורת הנזיר ביום מלאת ימי נזרו יביא אתו אל פתח אהל מועד׃
13Ary izao no lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
14והקריב את קרבנו ליהוה כבש בן שנתו תמים אחד לעלה וכבשה אחת בת שנתה תמימה לחטאת ואיל אחד תמים לשלמים׃
14ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
15וסל מצות סלת חלת בלולת בשמן ורקיקי מצות משחים בשמן ומנחתם ונסכיהם׃
15ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
16והקריב הכהן לפני יהוה ועשה את חטאתו ואת עלתו׃
16Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
17ואת האיל יעשה זבח שלמים ליהוה על סל המצות ועשה הכהן את מנחתו ואת נסכו׃
17dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
18וגלח הנזיר פתח אהל מועד את ראש נזרו ולקח את שער ראש נזרו ונתן על האש אשר תחת זבח השלמים׃
18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
19ולקח הכהן את הזרע בשלה מן האיל וחלת מצה אחת מן הסל ורקיק מצה אחד ונתן על כפי הנזיר אחר התגלחו את נזרו׃
19Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
20והניף אותם הכהן תנופה לפני יהוה קדש הוא לכהן על חזה התנופה ועל שוק התרומה ואחר ישתה הנזיר יין׃
20Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21זאת תורת הנזיר אשר ידר קרבנו ליהוה על נזרו מלבד אשר תשיג ידו כפי נדרו אשר ידר כן יעשה על תורת נזרו׃
21Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
22וידבר יהוה אל משה לאמר׃
22[Ny tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23דבר אל אהרן ואל בניו לאמר כה תברכו את בני ישראל אמור להם׃
23Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:
24יברכך יהוה וישמרך׃
24Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
25יאר יהוה פניו אליך ויחנך׃
25Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
26ישא יהוה פניו אליך וישם לך שלום׃
26Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
27ושמו את שמי על בני ישראל ואני אברכם׃
27Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.