1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny amin'ny fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2דבר אל אהרן ואמרת אליו בהעלתך את הנרת אל מול פני המנורה יאירו שבעת הנרות׃
2Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3ויעש כן אהרן אל מול פני המנורה העלה נרתיה כאשר צוה יהוה את משה׃
3Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
4וזה מעשה המנרה מקשה זהב עד ירכה עד פרחה מקשה הוא כמראה אשר הראה יהוה את משה כן עשה את המנרה׃
4Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5וידבר יהוה אל משה לאמר׃
5Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6קח את הלוים מתוך בני ישראל וטהרת אתם׃
6Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
7וכה תעשה להם לטהרם הזה עליהם מי חטאת והעבירו תער על כל בשרם וכבסו בגדיהם והטהרו׃
7Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
8ולקחו פר בן בקר ומנחתו סלת בלולה בשמן ופר שני בן בקר תקח לחטאת׃
8Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
9והקרבת את הלוים לפני אהל מועד והקהלת את כל עדת בני ישראל׃
9Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
10והקרבת את הלוים לפני יהוה וסמכו בני ישראל את ידיהם על הלוים׃
10Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
11והניף אהרן את הלוים תנופה לפני יהוה מאת בני ישראל והיו לעבד את עבדת יהוה׃
11ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12והלוים יסמכו את ידיהם על ראש הפרים ועשה את האחד חטאת ואת האחד עלה ליהוה לכפר על הלוים׃
12Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
13והעמדת את הלוים לפני אהרן ולפני בניו והנפת אתם תנופה ליהוה׃
13Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
14והבדלת את הלוים מתוך בני ישראל והיו לי הלוים׃
14Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15ואחרי כן יבאו הלוים לעבד את אהל מועד וטהרת אתם והנפת אתם תנופה׃
15Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16כי נתנים נתנים המה לי מתוך בני ישראל תחת פטרת כל רחם בכור כל מבני ישראל לקחתי אתם לי׃
16fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
17כי לי כל בכור בבני ישראל באדם ובבהמה ביום הכתי כל בכור בארץ מצרים הקדשתי אתם לי׃
17Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
18ואקח את הלוים תחת כל בכור בבני ישראל׃
18Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19ואתנה את הלוים נתנים לאהרן ולבניו מתוך בני ישראל לעבד את עבדת בני ישראל באהל מועד ולכפר על בני ישראל ולא יהיה בבני ישראל נגף בגשת בני ישראל אל הקדש׃
19Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
20ויעש משה ואהרן וכל עדת בני ישראל ללוים ככל אשר צוה יהוה את משה ללוים כן עשו להם בני ישראל׃
20Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
21ויתחטאו הלוים ויכבסו בגדיהם וינף אהרן אתם תנופה לפני יהוה ויכפר עליהם אהרן לטהרם׃
21Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22ואחרי כן באו הלוים לעבד את עבדתם באהל מועד לפני אהרן ולפני בניו כאשר צוה יהוה את משה על הלוים כן עשו להם׃
22Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
23וידבר יהוה אל משה לאמר׃
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24זאת אשר ללוים מבן חמש ועשרים שנה ומעלה יבוא לצבא צבא בעבדת אהל מועד׃
24Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
25ומבן חמשים שנה ישוב מצבא העבדה ולא יעבד עוד׃
25fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
26ושרת את אחיו באהל מועד לשמר משמרת ועבדה לא יעבד ככה תעשה ללוים במשמרתם׃
26kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.