Indonesian

Malagasy

Genesis

6

1Setelah manusia bertambah banyak dan tersebar di seluruh dunia, dan anak-anak perempuan dilahirkan,
1[Noa sy ny Safo-drano] Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2makhluk-makhluk ilahi melihat bahwa gadis-gadis itu cantik-cantik. Lalu mereka mengawini gadis-gadis yang mereka sukai.
2dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3Maka berkatalah TUHAN, "Aku tidak memperkenankan manusia hidup selama-lamanya; mereka makhluk fana, yang harus mati. Mulai sekarang umur mereka tidak akan melebihi 120 tahun."
3Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4Pada zaman itu, dan juga sesudahnya, ada orang-orang raksasa di bumi. Mereka keturunan gadis-gadis manusia yang kawin dengan makhluk-makhluk ilahi. Orang-orang raksasa itu adalah pahlawan-pahlawan besar dan orang-orang termasyhur di zaman purbakala.
4Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5TUHAN melihat betapa jahatnya orang-orang di bumi; semua pikiran mereka selalu jahat.
5Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6Ia pun menyesal telah menjadikan mereka dan menempatkan mereka di bumi. Ia begitu kecewa,
6Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7sehingga berkata, "Akan Kubinasakan manusia yang telah Kuciptakan itu, dan juga segala burung dan binatang lainnya, sebab Aku menyesal telah menciptakan mereka."
7Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8Tetapi Nuh menyenangkan hati TUHAN.
8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah.
9Inilah riwayat Nuh. Ia mempunyai tiga anak laki-laki, yaitu Sem, Yafet dan Ham. Nuh tidak berbuat salah, dan dia satu-satunya orang yang baik pada zamannya. Ia hidup akrab dengan Allah.
9Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10(6:9)
10Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11Tetapi semua orang lainnya jahat dalam pandangan Allah, dan kekejaman terdapat di mana-mana.
11Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12Allah memandang dunia itu dan hanya melihat kejahatan saja, sebab semua manusia jahat hidupnya.
12dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
13Lalu berkatalah Allah kepada Nuh, "Aku telah memutuskan untuk mengakhiri hidup segala makhluk. Aku akan memusnahkan mereka beserta bumi, karena bumi telah penuh dengan kekejaman mereka.
13Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
14Buatlah sebuah kapal untukmu dari kayu yang kuat; buatlah bilik-bilik di dalamnya, dan lapisilah dengan ter dari dalam dan dari luar.
14Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15Kapal itu harus 133 meter panjangnya, 22 meter lebarnya, dan 13 meter tingginya.
15Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16Buatlah atap pada kapal itu, dan berilah jarak sebesar 44 sentimeter di antara atap dan dinding-dindingnya. Buatlah kapal itu bertingkat tiga, dan pasanglah sebuah pintu di sisinya.
16Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
17Aku akan mendatangkan banjir untuk membinasakan setiap makhluk yang hidup di bumi. Segala sesuatu di bumi akan mati,
17Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
18tetapi dengan engkau Aku hendak membuat perjanjian. Masuklah ke dalam kapal itu bersama-sama dengan istrimu, dan anak-anakmu serta istri-istri mereka.
18Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19Bawalah ke dalam kapal itu seekor jantan dan seekor betina dari setiap jenis burung dan binatang lainnya, supaya mereka tidak turut binasa.
19Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
20(6:19)
20Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
21Bawalah juga segala macam makanan untukmu dan untuk binatang-binatang itu."
21Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
22Nuh melakukan segala sesuatu yang diperintahkan Allah kepadanya.
22Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.