1Keturunan Raja Daud seperti pohon yang sudah ditebang. Tetapi sebagaimana dari tunggul tumbuh tunas baru, demikian pula dari keturunan Daud akan muncul seorang raja.
1[Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
2Kuasa TUHAN akan membimbing dia, menjadikan dia berbudi dan bijaksana, cakap mengambil keputusan dan melaksanakannya; mengenal kehendak Allah dan takwa kepada-Nya.
2Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
3Kesukaannya yaitu taat kepada TUHAN. Ia tidak mengadili sekilas pandang atau berdasarkan kata orang.
3Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;
4Orang miskin dihakiminya dengan adil, orang tak berdaya dibelanya dengan jujur; orang bersalah dihukum atas perintahnya, orang jahat ditumpasnya.
4Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
5Ia bertindak dengan adil dan setia dalam segala-galanya.
5Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
6Serigala akan tinggal bersama domba, macan tutul berbaring di samping kambing. Anak sapi akan merumput bersama anak singa, dan anak kecil menggiring mereka.
6Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
7Sapi akan makan rumput bersama beruang, anak-anaknya berbaring bersama-sama. Singa makan jerami seperti sapi.
7Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
8Bahkan seorang bayi takkan cedera bila bermain dekat ular berbisa.
8Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky ny menarana. [Na: voamason']
9Di Sion, Bukit Suci Allah, tak ada yang jahat atau merusak. Negeri akan penuh pengetahuan tentang Allah, seperti air memenuhi lautan.
9Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
10Saatnya akan tiba seorang raja keturunan Daud menjadi pusat perhatian bangsa-bangsa. Mereka akan datang kepadanya, dan tempat kediamannya akan disanjung-sanjung.
10Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
11Pada hari itu TUHAN akan sekali lagi memakai kekuasaan-Nya dan membawa pulang umat-Nya yang tersisa di Asyur dan Mesir, di negeri-negeri Patros, Sudan dan Elam, di Babel, Hamat dan pulau-pulau yang jauh.
11Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina.
12TUHAN akan menaikkan sebuah panji-panji untuk bangsa-bangsa. Itulah tandanya Ia mengumpulkan kembali bangsa Israel dan Yehuda yang terserak di segala penjuru bumi dan membawa mereka pulang.
12Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13Kerajaan Israel tidak lagi iri hati kepada Yehuda, dan Yehuda tidak lagi memusuhi Israel.
13Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[Na: mpandrafy][Na: ao amin'ny]
14Mereka bersama-sama akan menyerang orang Filistin di barat dan merampasi bangsa-bangsa di timur. Mereka akan menaklukkan bangsa Edom dan Moab, dan bangsa Amon akan tunduk kepada mereka.
14Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
15TUHAN akan mengeringkan Teluk Suez. Ia membuat angin panas bertiup sehingga Sungai Efrat menjadi tujuh batang air yang dangkal, dan setiap orang dapat menyeberanginya dengan berkasut.
15Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[Na: hanao azy ho herema][Eofrata]Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
16Bagi umat-Nya yang tersisa akan ada jalan raya untuk keluar dari Asyur, seperti pada waktu Israel keluar dari Mesir.
16Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.