1Pada waktu Nebukadnezar raja Babel memecat Yoyakhin anak Yoyakim, ia mengangkat Zedekia anak Yosia menjadi raja Yehuda.
1[Ny nangatahan'i Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
2Tetapi baik Zedekia maupun para pejabatnya dan rakyatnya tidak menuruti pesan TUHAN yang diberikan-Nya melalui aku.
2nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.
3Raja Zedekia mengutus Yukhal anak Selemya, dan Imam Zefanya anak Maaseya untuk minta supaya aku berdoa kepada TUHAN Allah untuk kepentingan bangsa.
3Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
4Pada waktu itu aku belum dimasukkan ke dalam penjara dan masih bebas bergerak di antara rakyat.
4Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
5Tentara Babel sedang mengepung Yerusalem, tapi ketika mereka mendengar bahwa tentara Mesir telah berangkat dari Mesir untuk berperang, mereka mundur.
5Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
6TUHAN, Allah Israel, menyuruh aku
6Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:
7berkata begini kepada utusan Raja Zedekia: "Katakanlah kepada Zedekia, 'Tentara Mesir yang sedang menuju kemari untuk membantumu, akan balik dan pulang.
7Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
8Lalu orang Babel akan kembali dan menyerang kota ini, serta mengalahkan dan membakarnya.
8fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.
9Aku, TUHAN, memperingatkan kamu, supaya jangan menipu dirimu dengan berpikir bahwa orang Babel telah pergi dan tidak akan kembali. Sebab mereka pasti akan kembali.
9Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10Seandainya kamu mengalahkan seluruh tentara Babel sehingga yang tinggal hanyalah orang-orang yang luka parah di dalam kemah-kemah mereka, namun mereka akan bangun dan membakar habis kota ini.'"
10Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.
11Tentara Babel mundur dari Yerusalem karena tentara Mesir bergerak menuju kota itu.
11Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,
12Maka aku meninggalkan Yerusalem dan pergi ke wilayah Benyamin untuk menerima pembagian warisanku dari tanah milik keluarga.
12dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.
13Tetapi ketika aku sampai di Pintu Gerbang Benyamin, komandan tentara yang bertugas di situ menahan aku dan berkata, "Engkau mau lari ke pihak orang Babel!" (Perwira itu bernama Yeria; ia anak Selemya dan cucu Hananya.)
13Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.
14Aku membalas, "Tidak benar! Aku tidak bermaksud lari ke pihak musuh." Tapi Yeria tidak mau mendengarkan. Ia menangkap dan membawa aku menghadap para pejabat pemerintah.
14Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.
15Mereka marah sekali kepadaku, dan memerintahkan supaya aku dipukuli dan dikurung di rumah Yonatan, sekretaris negara. Rumah itu sudah dijadikan penjara.
15Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
16Aku dimasukkan ke dalam sebuah kolam di bawah tanah, dan lama ditahan di situ.
16Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
17Kemudian Raja Zedekia menyuruh orang membawa aku menghadap dia di istana. Di situ secara rahasia ia bertanya kepadaku apakah ada pesan dari TUHAN. "Ada," jawabku. Lalu kutambahkan, "Baginda akan diserahkan kepada raja Babel."
17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.
18Setelah itu aku bertanya, "Apa kejahatanku terhadap Baginda atau terhadap para pejabat Baginda atau rakyat, sehingga Baginda memasukkan aku ke dalam penjara?
18Ary hoy koa Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
19Di mana para nabi Baginda itu yang mengatakan bahwa raja Babel tidak akan menyerang Baginda dan negeri ini?
19Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?
20Sekarang, Baginda yang mulia, sudilah mendengarkan permohonanku ini. Janganlah Baginda mengirim aku kembali ke penjara di rumah Yonatan itu, nanti aku mati di sana."
20Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
21Maka Raja Zedekia memerintahkan supaya aku dipenjarakan di pelataran istana. Jadi aku tinggal di situ, dan setiap hari diberi roti dari tempat pembuatan roti sampai persediaan roti di kota itu telah habis semuanya.
21Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.