Indonesian

Malagasy

Nehemiah

8

1Pada bulan tujuh orang Israel telah menetap di kotanya masing-masing. Pada tanggal satu bulan itu mereka semua berkumpul di Yerusalem, di halaman di depan Pintu Gerbang Air. Mereka meminta supaya Buku Hukum diambil oleh Imam Ezra, seorang ahli dalam Hukum yang diberikan TUHAN kepada Israel melalui Musa.
1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.
2Lalu Ezra membawa buku itu ke hadapan sidang yang terdiri dari laki-laki, wanita dan anak-anak yang cukup dewasa untuk mengerti.
2Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino.
3Kemudian, dari pagi sampai siang, Ezra membacakan Hukum itu kepada mereka. Mereka semua mendengarkan dengan penuh perhatian.
3Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.
4Ezra berdiri di atas mimbar kayu yang telah dibuat untuk keperluan pertemuan itu. Di sebelah kanannya berdiri orang-orang ini: Matica, Sema, Anaya, Uria, Hilkia dan Maaseya; sedang di sebelah kirinya berdiri: Pedaya, Misael, Malkia, Hasum, Hasbadana, Zakharia dan Mesulam.
4Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
5Panggung tempat Ezra berdiri itu lebih tinggi dari orang-orang itu, sehingga mereka semua dapat melihatnya. Segera ia membuka buku itu, mereka semua berdiri.
5Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6Ezra berkata, "Pujilah TUHAN, Allah yang besar!" Seluruh rakyat mengangkat tangan tinggi-tinggi dan menjawab, "Amin, amin!" Lalu mereka sujud menyembah Allah.
6Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.
7Setelah itu mereka bangkit dan berdiri di tempat masing-masing, sementara sejumlah orang Lewi menerangkan Hukum itu kepada mereka. Orang-orang Lewi itu ialah: Yesua, Bani, Serebya, Yamin, Akub, Sabetai, Hodia, Maaseya, Kelita, Azarya, Yozabad, Hanan dan Pelaya.
7Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany.
8Mereka menterjemahkan Hukum Allah itu bagian demi bagian serta menjelaskannya sehingga rakyat dapat mengerti bacaan itu.
8Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.
9Mendengar pembacaan Hukum itu, rakyat menjadi sangat terharu, lalu menangis. Maka gubernur Nehemia dan Imam Ezra ahli Hukum itu, serta orang-orang Lewi yang menerangkan Hukum itu, mengatakan kepada seluruh rakyat demikian, "Hari ini hari yang khusus bagi TUHAN Allahmu, jadi jangan bersedih atau menangis.
9Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.
10Sekarang pulanglah; makanlah dan minumlah dengan gembira. Berilah sebagian dari makanan dan anggurmu kepada mereka yang berkekurangan. Hari ini hari yang khusus bagi Tuhan kita, jadi jangan bersusah. Kegembiraan yang diberikan TUHAN kepada kalian akan menguatkan kalian."
10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
11Juga orang-orang Lewi menenangkan rakyat dan berkata berulang-ulang, "Jangan bersedih pada hari yang khusus ini."
11Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
12Maka pulanglah seluruh rakyat untuk makan dan minum serta membagi-bagikan makanan kepada orang-orang lain. Mereka bergembira karena telah mengerti arti bacaan yang mereka dengar itu.
12Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
13Besoknya berkumpullah semua kepala kaum, para imam dan orang-orang Lewi, lalu pergi kepada Ezra untuk mempelajari ajaran-ajaran Hukum TUHAN.
13Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.
14Mereka mendapati bahwa di dalam Hukum yang diberikan TUHAN melalui Musa, TUHAN menyuruh umat Israel tinggal di dalam pondok-pondok darurat selama pesta Pondok Daun.
14Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito,
15Sebab itu di seluruh Yerusalem di kota-kota dan di desa-desa, mereka mengumumkan perintah ini, "Pergilah ke pegunungan dan ambillah dahan-dahan pohon cemara, zaitun, pohon minyak, palma dan pohon-pohon lain untuk membuat pondok sesuai dengan peraturan di dalam Buku Hukum."
15ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
16Lalu pergilah rakyat mengambil dahan-dahan itu. Mereka semua membuat pondok-pondok pada atap-atap datar di atas rumah mereka, di halaman rumahnya, di halaman depan Rumah TUHAN, di lapangan dekat Pintu Gerbang Air dan di lapangan dekat Pintu Gerbang Efraim.
16Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.
17Seluruh rakyat yang telah pulang dari pembuangan itu membuat pondok-pondok itu, lalu tinggal di situ. Inilah pertama kali hal itu dilakukan sejak zaman Yosua anak Nun, maka semuanya senang dan bahagia.
17Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
18Tujuh hari lamanya mereka berpesta. Tiap-tiap hari bagian-bagian buku Hukum Allah dibacakan oleh Ezra. Pada hari yang kedelapan diadakan upacara penutupan, sesuai dengan peraturan Hukum.
18Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.