1Pada tanggal satu bulan dua dalam tahun kedua sesudah bangsa Israel meninggalkan Mesir, TUHAN berbicara kepada Musa di dalam Kemah TUHAN di padang gurun Sinai. Kata-Nya,
1[Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2"Engkau dan Harun harus mengadakan sensus segenap umat Israel, menurut kaum dan keluarga masing-masing. Buatlah daftar nama semua orang laki-laki
2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3yang berumur dua puluh tahun ke atas yang sanggup menjadi tentara. Mereka harus didaftarkan menurut pasukannya masing-masing.
3dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4Dari setiap suku, mintalah seorang pemimpin kaum untuk membantu kamu."
4Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5Inilah nama orang-orang yang dipilih dari umat untuk membantu Musa dan Harun dan yang menjadi pemimpin masing-masing suku, yaitu: (Suku-Pemimpin), Ruben-Elizur anak Syedeur, Simeon-Selumiel anak Zurisyadai, Yehuda-Nahason anak Aminadab, Isakhar-Netaneel anak Zuar, Zebulon-Eliab anak Helon, Efraim-Elisama anak Amihud, Manasye-Gamaliel anak Pedazur, Benyamin-Abidan anak Gideoni, Dan-Ahiezer anak Amisyadai, Asyer-Pagiel anak Okhran, Gad-Elyasaf anak Rehuel, Naftali-Ahira anak Enan.
5Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6(1:5)
6ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7(1:5)
7ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8(1:5)
8ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9(1:5)
9ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10(1:5)
10ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11(1:5)
11ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12(1:5)
12ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13(1:5)
13ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14(1:5)
14ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15(1:5)
15ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16(1:5)
16Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17Dengan bantuan kedua belas orang itu, Musa dan Harun
17Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18menyuruh seluruh umat berkumpul pada tanggal satu bulan dua, lalu silsilah mereka disusun menurut kaum-kaum yang ada dalam setiap suku mereka. Nama semua orang laki-laki yang berumur dua puluh tahun ke atas dicatat dan dihitung,
18dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
19seperti yang diperintahkan TUHAN. Semua itu dilakukan oleh Musa di padang gurun Sinai.
19Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20Orang-orang lelaki yang berumur dua puluh tahun ke atas yang sanggup menjadi tentara, didaftarkan namanya menurut kaum dan keluarganya, mulai dari Ruben, anak sulung Yakub sampai dengan Naftali. Jumlah mereka adalah: (Suku-Jumlah orang), Ruben-46.500, Simeon-59.300, Gad-45.650, Yehuda-74.600, Isakhar-54.400, Zebulon-57.400, Efraim-40.500, Manasye-32.200, Benyamin-35.400, Dan-62.700, Asyer-41.500, Naftali-53.400; Seluruhnya: 603.550.
20Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21(1:20)
21izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
22(1:20)
22Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23(1:20)
23izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
24(1:20)
24Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
25(1:20)
25izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
26(1:20)
26Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
27(1:20)
27izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
28(1:20)
28Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
29(1:20)
29izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
30(1:20)
30Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
31(1:20)
31izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
32(1:20)
32Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33(1:20)
33izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34(1:20)
34ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
35(1:20)
35izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
36(1:20)
36Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
37(1:20)
37izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
38(1:20)
38Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
39(1:20)
39izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
40(1:20)
40Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
41(1:20)
41izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
42(1:20)
42Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
43(1:20)
43izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44(1:20)
44Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45(1:20)
45Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46(1:20)
46dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47Orang-orang Lewi tidak didaftarkan bersama-sama dengan suku-suku lain,
47[Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
48karena TUHAN telah berkata kepada Musa,
48Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49"Pada waktu engkau mencatat nama orang-orang yang sanggup menjadi tentara, suku Lewi tidak usah dicatat.
49Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
50Suruh mereka mengurus Kemah-Ku dengan segala perlengkapannya. Tugas mereka ialah memikul Kemah-Ku dengan perlengkapannya serta mengurusnya. Mereka harus berkemah di sekelilingnya.
50fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51Apabila kamu pindah, orang-orang Lewi itu harus membongkar Kemah-Ku, lalu memasangnya kembali di setiap tempat berkemah yang baru. Selain mereka, siapa saja yang mendekati Kemah itu harus dihukum mati.
51Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52Orang-orang Israel yang lainnya harus mendirikan kemah mereka berkelompok-kelompok, tiap orang dalam kelompoknya masing-masing di sekeliling panjinya sendiri-sendiri.
52Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
53Tetapi orang-orang Lewi harus berkemah di sekeliling Kemah-Ku. Mereka harus menjaganya supaya tidak ada orang yang mendekatinya, sehingga menyebabkan Aku marah dan menghukum umat Israel."
53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.
54Maka orang Israel melakukan segala yang diperintahkan TUHAN kepada Musa.
54Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.