1Pujilah TUHAN! Hai jiwaku, pujilah TUHAN!
1[Dera ho an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
2Aku mau memuji TUHAN selama hidupku dan menyanyi bagi Allahku selama aku ada.
2Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
3Janganlah berharap kepada penguasa, kepada manusia yang tak dapat menyelamatkan.
3Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
4Kalau mereka mati, mereka kembali ke tanah; hari itu juga semua rencana mereka lenyap.
4Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.
5Berbahagialah orang yang mengandalkan TUHAN Allahnya, dan mempunyai Allah Yakub sebagai penolongnya.
5Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny,
6Dialah yang menjadikan langit dan bumi, laut dan segala isinya; Ia tetap setia selama-lamanya.
6Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
7Ia membela hak orang-orang yang tertindas, dan memberi makan kepada orang yang lapar. TUHAN membebaskan para tahanan,
7Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
8dan membuat orang buta dapat melihat. Ia menegakkan orang yang jatuh, dan mengasihi orang yang jujur.
8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
9Ia melindungi orang-orang asing; Ia menolong para janda dan yatim piatu, tetapi menggagalkan rencana orang jahat.
9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
10TUHAN itu Raja untuk selama-lamanya. Hai Sion, Allahmu berkuasa selama segala abad. Pujilah TUHAN!
10Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.