Indonesian

Malagasy

Psalms

86

1Doa Daud. Dengarlah doaku, ya TUHAN, dan jawablah aku, sebab aku miskin dan lemah.
1[Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2Jagalah hidupku, sebab Engkau mengasihi aku, selamatkanlah hamba-Mu yang percaya kepada-Mu.
2Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
3Engkaulah Allahku, kasihanilah aku ya TUHAN, sebab sepanjang hari aku berdoa kepada-Mu.
3Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
4TUHAN, gembirakanlah hati hamba-Mu, sebab kepada-Mu kuarahkan hatiku.
4Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
5Engkau baik, ya TUHAN, dan suka mengampuni, orang yang berdoa kepada-Mu tetap Kaukasihi dengan kasih yang limpah.
5Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
6Perhatikanlah doaku, ya TUHAN, dengarlah seruanku mohon pertolongan.
6Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
7Di waktu kesesakan aku berdoa kepada-Mu, sebab Engkau menjawab aku.
7Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
8Ya TUHAN, tak ada ilah seperti Engkau, tak ada yang melakukan apa yang Kaulakukan.
8Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9Semua bangsa yang Kaujadikan akan datang, ya TUHAN, untuk menyembah Engkau dan memuji keagungan-Mu.
9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
10Sebab Engkau perkasa dan melakukan keajaiban-keajaiban, hanya Engkaulah Allah.
10Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
11Ajarkanlah kehendak-Mu kepadaku, ya TUHAN, supaya aku mengikutinya dengan setia; jadikanlah aku takwa dengan sebulat hati.
11Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
12Aku bersyukur kepada-Mu dengan sepenuh hatiku, ya TUHAN Allahku; aku mau memuji kebesaran-Mu selama-lamanya.
12Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
13Sebab Engkau tetap mengasihi aku dengan kasih yang besar; Engkau telah melepaskan nyawaku dari liang kubur.
13Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.[Heb. Shoela]
14Ya Allah, orang sombong bangkit menyerang aku, segerombolan orang kejam mau membunuh aku; mereka tidak mempedulikan Engkau.
14Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
15Tetapi Engkau, ya TUHAN, Allah pengasih dan penyayang, sabar, penuh kasih dan setia.
15Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
16Perhatikanlah dan kasihanilah aku, kuatkanlah dan selamatkanlah aku, sebab seperti ibuku, akupun berbakti kepada-Mu.
16Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
17Berilah aku tanda kebaikan-Mu, ya TUHAN, supaya orang yang membenci aku menjadi malu, bila mereka melihat Engkau menolong dan menghibur aku.
17Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.