Indonesian

Malagasy

Psalms

98

1Mazmur. Nyanyikanlah lagu baru bagi TUHAN, karena perbuatan-perbuatan-Nya yang mengagumkan! Dengan kuasa dan kekuatan-Nya sendiri Ia telah mendapat kemenangan.
1[Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2TUHAN mewartakan kemenangan-Nya; Ia menyatakan keadilan-Nya kepada bangsa-bangsa.
2Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3Ia ingat akan kasih dan kesetiaan-Nya kepada Israel, umat-Nya. Semua bangsa di seluruh bumi telah melihat kemenangan Allah kita.
3Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
4Bersoraksorailah bagi TUHAN, hai seluruh bumi! Pujilah TUHAN dengan nyanyian dan sorak gembira.
4Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5Nyanyikan pujian bagi TUHAN, dengan memetik kecapi.
5Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,
6Tiuplah trompet dan sangkakala, bersoraklah bagi TUHAN, Raja kita.
6Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
7Bergemuruhlah hai laut dan semua isinya bumi dan semua yang mendiaminya.
7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8Biarlah sungai-sungai bertepuk tangan, dan bukit-bukit bersorak-sorai di hadapan TUHAN.
8Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitraEo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
9Sebab Ia datang untuk menghakimi bumi; bangsa-bangsa akan dihakimi-Nya dengan adil dan benar.
9Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.