1Aku datang ke kebunku, dinda, pengantinku, kukumpulkan mur dan rempah-rempahku; kumakan sarang lebah dan maduku, kuminum susu dan air anggurku.
1Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
2Aku tidur, namun hatiku berjaga. Dengarlah, kekasihku mengetuk pintu.
2[Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko]
3Bajuku sudah kulepaskan; apakah akan kupakai lagi? Kakiku sudah kubasuh, apakah akan kukotori lagi?
3Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
4Berdebar-debar hatiku karena kekasihku memegang gagang pintu.
4Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
5Maka bangunlah aku hendak membuka pintu bagi kekasihku. Mur menetes dari tangan dan jari-jariku, membasahi pegangan kancing pintu.
5Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.
6Kubukakan pintu bagi kekasihku, tetapi ia telah berbalik dan pergi. Aku sangat merindukan suaranya; kucari dia, tapi sia-sia. Kupanggil namanya, tapi ia tak menyahut.
6Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
7Aku ditemui para peronda kota; mereka memukul dan melukai aku, selendangku mereka ambil dengan paksa.
7Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
8Berjanjilah, hai putri-putri Yerusalem, bila kamu menemukan kekasihku, kabarkanlah kepadanya, bahwa aku sakit asmara.
8Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
9Apakah kekasihmu melebihi kekasih-kekasih lain, hai gadis yang paling jelita? Apakah kekasihmu melebihi kekasih-kekasih lain, sehingga engkau menyuruh kami berjanji?
9Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
10Kekasihku gagah dan tampan, unggul di antara sepuluh ribu orang.
10Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
11Kepalanya seperti emas, emas murni, rambutnya berombak dan hitam, sehitam gagak.
11Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
12Matanya bagaikan merpati pada mata air, merpati bermandi susu, duduk di tepi kolam.
12Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
13Pipinya seperti kebun rempah yang wangi, bibirnya bunga bakung yang meneteskan mur asli.
13Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.[Heb. tilikambo]
14Tangannya elok, bercincin emas dengan permata, tubuhnya bagaikan gading bertatah batu nilam.
14Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
15Kakinya seperti tiang-tiang marmer putih, dengan alas emas murni. Perawakannya segagah gunung-gunung di Libanon, dan seanggun pohon aras.
15Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
16Teramat manis tutur katanya, segala sesuatu padanya menarik. Begitulah kekasih dan sahabatku, hai putri-putri Yerusalem!
16Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]