1Nekk Semɛun Buṭrus, d aqeddac, d amceggeɛ n Ɛisa Lmasiḥ, i wid akk yesɛan liman am nukni, s lḥeqq n Sidi Ṛebbi Illu-nneɣ akk-d umsellek nneɣ Ɛisa Lmasiḥ.
1[Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [ Na: ny fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
2Ṛṛeḥma ț-țalwit a wen-d tețțunefkent s tugeț, s tmusni n Sidi Ṛebbi akk-d Ssid-nneɣ Ɛisa.
2hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3Tazmert n Sidi Ṛebbi tefka yaɣ-ed ayen akk ilaqen i tudert d ṭṭaɛa ; yis i ɣ-d-isbeggen win akken i ɣ-ixtaṛen s ṛṛeḥma-s ț-țmanegt-is.
3Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany; [ Na: [tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana]
4Yis-sent daɣen i ɣ-d-tețțunefkent lemɛahdat yesɛan azal d ameqqran, iwakken s tmanegt-agi-ines akk-d ṛṛeḥma-s, aț-țekkim di lecɣal n Sidi Ṛebbi, aț-țbeɛdem ɣef ṭṭmeɛ ițțawin ɣer lefsad n ddunit.
4ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
5Ɣef ayagi, ǧehdet, ẓewṛet iwakken aț-țernum i liman-nwen tikli yeṣfan, i tikli yeṣfan tamusni ;
5koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6i tmusni rnut ḥekmet deg yiman nwen, ṣebṛet, i ṣṣbeṛ rnut ṭṭaɛa,
6ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
7i ṭṭaɛa tagmaț, i tegmaț leḥmala.
7ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
8Ma yella wannect-agi deg-wen s tugeț, ur tețțilim ara d imeɛdazen, yerna ur tețɣimim ara mbla tamusni n Ssid-nneɣ Ɛisa Lmasiḥ.
8Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9Ma d win ixuṣṣen deg wannect-agi, am uderɣal isferfuden, ur ițwali ara, ițțu akk ddnubat-is iɛeddan i s-isemmeḥ Sidi Ṛebbi.
9Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.
10Ay atmaten, ẓewṛet, sǧehdet iman-nwen deg wannect-agi imi d Sidi Ṛebbi i wen-d-issawlen, d nețța i kkun-ixtaṛen. Ma txedmem ayagi, ur tɣellim ara.
10Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11S wakka daɣen ara wen-teldi tewwurt iwakken aț-țkecmem ɣer tgeldit ițdumun n Ssid-nneɣ Ɛisa Lmasiḥ, amsellek-nneɣ.
11fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
12A wen-d-țɛawadeɣ dayem annect-agi meṛṛa ɣas akken tesnem tideț-agi yerna teṭṭfem deg-s.
12[Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
13Skud mazal-iyi ddreɣ, ilaq-iyi a kkun-nhuɣ iwakken ur tɣeflem ara.
13Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
14Axaṭer ẓriɣ belli qṛib ad ṛuḥeɣ si ddunit-agi, am akken i yi-d-ixebbeṛ Ssid-nneɣ Ɛisa Lmasiḥ ;
14satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
15daymi i xeddmeɣ ayen iwumi zemreɣ iwakken ɣas mmuteɣ, a d-temmektim ayen akk i wen slemdeɣ.
15Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16Mačči ț-țimucuha i wen-d newwi mi i wen-d-neḥka ɣef tezmert n Ssid-nneɣ Ɛisa Lmasiḥ ț-țuɣalin-is, meɛna s wallen-nneɣ i nwala tamanegt-is.
16Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
17Nella yid-es asm' akken i s-d isbeggen Baba Ṛebbi ccan ț-țezmert, asm' akken i d-inṭeq Bab n tmanegt s imeslayen-agi : Wagi d Mmi eɛzizen deg-s i gella lfeṛḥ-iw.
17Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
18Sṣut-agi i d-ikkan seg igenni, nesla-yas s yiman-nneɣ mi nella yid-es deg udrar iqedsen,
18Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
19yerna numen s wayen i ɣ-d xebbṛen lenbiya di tira iqedsen belli ț-țideț ; nenha-kkun aț-țerrem ddehn nwen ɣuṛ-sent, axaṭer ț-țaftilt iceɛlen di ṭṭlam alamma yuli wass, alamma ifeǧǧeǧ yitri n ṣṣbeḥ deg ulawen nwen.
19Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20Uqbel kullec, ẓret belli imeslayen akk i d-nnan lenbiya, yuran di tektabt iqedsen, ur d-kkin ara s ɣuṛ-sen ;
20fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
21axaṭeṛ ulac ayen i d-xebbṛen s tmusni-nsen nutni, meɛna s tezmert n Ṛṛuḥ iqedsen i d-nnan imeslayen i d-ikkan s ɣuṛ Sidi Ṛebbi.
21fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.