1Malxisadeq-agi yella d agellid n Salem, d lmuqeddem n Sidi Ṛebbi ɛlayen. D nețța i gemmugren Sidna Ibṛahim mi d-yuɣal seg umenɣi i deg yeɣleb igelliden nniḍen, iwakken a t-ibarek.
1[Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2I nețța i gefka Sidna Ibṛahim amur wis ɛecṛa n wayen akk i d-yerbeḥ seg umenɣi. Malxisadeq lmeɛna n yisem-is « agellid n lḥeqq », yețțusemma daɣen agellid n Salem yeɛni « agellid n lehna ».
2sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3Ur neẓri ara anwa i d baba-s neɣ anta i d yemma-s, ur nessin tajaddit-is, ur neẓri melmi i glul neɣ melmi i gemmut. Yella d lemtel n Mmi-s n Ṛebbi, yeqqim d lmuqeddem i dayem.
3tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
4Walit acḥal meqqeṛ ccan n win iwumi yefka Sidna Ibṛahim leɛcuṛ seg wayen i d-yerbeḥ deg umenɣi.
4Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5At Lewwi yellan d lmuqedmin, țțawin leɛcuṛ ɣef wat Isṛail yellan d atmaten-nsen akken i d-tenna ccariɛa, ɣas akken ula d nutni ț-țarwa n Sidna Ibṛahim.
5Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
6Ma d Malxisadeq ur nelli ara n at Lewwi, yewwi leɛcuṛ s ɣuṛ Sidna Ibṛahim yerna iburek-it.
6nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7Mbla ccekk win yețbaraken yugar win yețțubarken.
7Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
8At Lewwi-agi yețțawin leɛcuṛ, d imdanen yețmețțaten, ma d Malxisadeq d win i ɣef d-nnant tira iqedsen : Mazal idder.
8Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
9Nezmer ihi a d-nini belli Lewwi yețțawin leɛcuṛ ɣef wat Isṛail, yefka leɛcuṛ i Malxisadeq uqbel a d-ilal s ufus n Sidna Ibṛahim yellan si lejdud-is ;
9Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10axaṭer asmi yemmuger Malxisadeq Sidna Ibṛahim, Lewwi urɛad d-ilul.
10satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
11Ccɣel i xeddmen lmuqedmin n at Lewwi, d lsas n ccariɛa yețțunefken i wegdud n wat Isṛail ; meɛna lemmer yennekmal ccɣel-agi, acuɣeṛ ihi ara d-yili lmuqeddem nniḍen am Malxisadeq mačči am Haṛun n at Lewwi ?
11Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
12Ma yella ccɣel i xeddmen lmuqeddmin n at Lewwi yuɣal di rrif, ihi ula d ccariɛa aț-țuɣal di rrif.
12Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13Axaṭer Ssid-nneɣ, ur d-yekki ara seg wedrum n at Lewwi, meɛna yekka-d seg wedrum nniḍen. Adrum-nni ulac deg-s ula d yiwen n lmuqeddem i gqedcen deg wudekkan n iseflawen.
13Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.
14Ihi neẓra belli Ssid-nneɣ yeffeɣ ed seg wedrum n Yahuda, yerna Sidna Musa ur d-yenni ara a d-yeffeɣ lmuqeddem seg wedrum agi.
14Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
15Yella wayen i d-ibeggnen annect agi, axaṭer yeffeɣ-ed lmuqeddem nniḍen yecban Malxisadeq.
15Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,
16Mačči d ccariɛa i t-yerran d lmuqeddem meɛna yuɣal d lmuqeddem s tezmert n tudert ur nețfaka ;
16izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.
17imi yura fell-as : Kečč d lmuqeddem i dayem am Malxisadeq.
17Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
18Lameṛ aqdim yeɛnan lmuqedmin yețwabeddel, axaṭer ixuṣṣ yerna ur yenfiɛ ara.
18Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19Ccariɛa n Musa ur tezmir ara a ɣ-terr d iḥeqqiyen zdat Sidi Ṛebbi, meɛna yella yiwen usirem s wayes ara nqeṛṛeb ɣuṛ-es ;
19(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20yerna ayagi yedṛa-d s limin n Sidi Ṛebbi, mačči am at Lewwi yuɣalen d lmuqedmin mbla limin ;
20Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21ma d Sidna Ɛisa yesbedd-it Sidi Ṛebbi s limin mi s-yenna : Sidi Ṛebbi yeggul ur yeḥnit aț-țiliḍ d lmuqeddem i dayem .
21- fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22Ɛisa, d nețța i ɣ-iḍemnen lɛahed yifen amezwaru.
22- dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23Aṭas seg wat Lewwi i gellan d lmuqedmin axaṭer lmut ur ten-tețțaǧa ara ad dumen di ccɣel-nsen ;
23Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24ma d Sidna Ɛisa, d win yețdumun, ur yuḥwaǧ ara a d-yeǧǧ lxedma-s n lmuqeddem i wayeḍ.
24fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25Daymi i gezmer ad isellek di mkul lweqt wid akk yețqeṛṛiben ɣer Ṛebbi s yisem-is, imi nețța yedder i dayem, ideɛɛu fell-asen ɣer Sidi Ṛebbi.
25koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26D wagi i d lmuqeddem ameqqran i ɣ-ilaqen, d imqeddes, d azedgan, ur yesɛi ara lɛib, yemxalaf d imdanen idenben yerna ițwarfed sennig igenwan.
26Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27Ur yeḥwaǧ ara ad yefk iseflawen am lmuqedmin nniḍen ɣef ddnubat-is neɣ ɣef wid n wegdud, lameɛna yefka iman-is d asfel yiwet n tikkelt kan ɣef ddemma n ddnubatnneɣ.
27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
28Lmuqedmin imeqqranen i d tesbeddad ccariɛa, d irgazen ixuṣṣen di lǧehd, ma d win i gesbedd Sidi Ṛebbi s limin deffir ccariɛa, d Mmi-s i gessaweḍ ɣer tezmert tameqqrant i dayem.
28Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.