Kabyle: New Testament

Malagasy

Luke

11

1Yiwen wass, Sidna Ɛisa yețẓalla deg yiwen wemkan. Mi gfukk, yiwen seg yinelmaden-is yenna-yas : A Sidi, selmed-aɣ amek ara neẓẓal akken yesselmed Yeḥya i yinelmaden-is.
1Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.
2Yenna-yasen : M'ara tẓallem, init : A Baba Ṛebbi, isem-ik ad ițwaqeddes, lḥekma n tgeldit-ik a d-tas.
2Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. [ Na: Rainay Izay any an-danitra] [ Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra)]
3Yal ass efk-aɣ-d aɣṛum-nneɣ.
3Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay.
4Semmeḥ-aɣ ddnubat-nneɣ akken i nețsamaḥ ula d nukkni i wid i ɣ-ixedmen cceṛ, ur aɣ-țaǧǧa ara a neɣli deg wujeṛṛeb.
4Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy].
5Yenna-yasen daɣen : Ma yella yiwen deg-wen yesɛa aḥbib, iṛuḥ ɣuṛ-es di țnaṣfa n yiḍ a s-yini : « Ay aḥbib ṛḍel-iyi-d tlata teḥbulin n weɣṛum ,
5Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
6atan yusa-yi-d yiwen weḥbib i geṭṭef webrid, ur sɛiɣ d acu ara s-d-sserseɣ. »
6fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
7Ma yerra-yas-d si zdaxel n wexxam : « Ur iyi-țɛețțib ara, tawwurt tsekkeṛ, nekk d warraw-iw aql-aɣ neṭṭes, ur zmireɣ ara a d-kkreɣ iwakken a k-d-fkeɣ aɣṛum. »
7ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
8A wen-d-iniɣ : ma yeɛdez ur yebɣi ara a d-yekker ɣuṛ-es ɣas akken d aḥbib-is, a d-ikker a s-d-yefk ayen akk i s-issuter axaṭer yusa-d ɣuṛ es di țnaṣfa n yiḍ yeṛṛez-as aqeṛṛuy-is.
8Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.[Gr.tsi-fitandroany henatra]
9Ma d nekk nniɣ-awen : ssutret a wen-d-ițunefk, qellbet aț-țafem, sqerbebbet di tewwurt a wen-d-ldin.
9Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
10Axaṭer kra n win yessuturen a s-d ițunefk, win ițqelliben ad yaf, win yesṭebṭuben a s-d-ldin tawwurt.
10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
11Anwa deg-wen ara yefken i mmi-s adɣaɣ ma yessuter-as aɣṛum ? Neɣ a s-yefk azrem ma yessuter-as aslem ?
11Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?
12Neɣ ma yessuter-as tamellalt a s-yefk tiɣirdemt ?
12ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
13Ma yella kunwi yellan d imcumen tessnem aț-țefkem ayen yelhan i warraw-nwen, amek Baba-twen yellan deg igenni ur d-ițțak ara Ṛṛuḥ iqedsen i wid i s-t-issuturen ?
13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
14Yiwen wass ikker Sidna Ɛisa yessuffeɣ lǧen yesgugmen yiwen wergaz. Mi t-iffeɣ lǧen, argaz-nni yebda iheddeṛ ; lɣaci meṛṛa wehmen.
14Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
15Lameɛna kra deg-sen nnan : « D Balzabul iḥekmen ɣef leǧnun i s-yefkan tazmert akken a ten issuffeɣ. »
15Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.
16Kra nniḍen bɣan a t-jeṛṛben, ssutren-as yiwen n lbeṛhan ara d-yasen seg yigenni.
16Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
17Sidna Ɛisa yessnen ixemmimen-nsen yenna yasen : Yal tagelda i deg ara țnaɣen imezdaɣ-is wway gar-asen tețțeddu ɣer nnger, ixxamen-is ad ɣlin.
17Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
18Ma yella Cciṭan yețnaɣ d yiman-is amek ara tdum tgelda-s ? Teqqaṛem s Balzabul i ssufuɣeɣ leǧnun !
18Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
19Ma yella nekk s Balzabul i ten-ssufuɣeɣ, anwa ihi i sen-ițțaken tazmert i yinelmaden-nwen iwakken a ten-ssuffuɣen ? Daymi d nutni ara kkun-iḥasben.
19Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.
20Lameɛna ma yella s ufus n Ṛebbi i ten-ssuffuɣeɣ, ațan ihi tageldit n Ṛebbi tewweḍ-ed ɣuṛ-wen.
20Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra.
21Argaz iǧehden yesɛan leslaḥ, ițɛassan ɣef wexxam-is, ṛṛezq-is ad yili di laman.
21Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
22Ma yusa-d ɣuṛ-es yiwen iǧehden akteṛ-is iɣleb-it, a s-ikkes leslaḥ ɣef wacu yețkel, ad yernu ad ifṛeq i wiyaḍ ayen akk yesɛa.
22Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
23Win ur nelli ara yid-i, d axṣim-iw ; win ur njemmeɛ ara yid-i, yețḍeggiɛ.
23Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
24M'ara yeffeɣ uṛuḥani seg yiwen wergaz, ad iṛuḥ ɣer yimukan yexlan akken ad iqelleb ɣef ṛṛaḥa. M'ur yufi ara, ad yini : « ad uɣaleɣ ɣer tnezduɣt-iw ansi i d-ffɣeɣ. »
24Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
25M'ara yaweḍ ɣer tnezduɣt-nni, a ț-yaf zeddiget, tqeɛɛed ;
25Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
26imiren ad iṛuḥ a d-yawi sebɛa yiṛuḥaniyen nniḍen iweɛṛen akteṛ-is, ad kecmen ad zedɣen deg-s ; s wakka lḥala n wergaz-nni aț-țenṭeṛ akteṛ n tikkelt tamezwarut.
26Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
27Mi d-yenna Sidna Ɛisa ayagi, yiwet n tmeṭṭut tenṭeq-ed s ṣṣut ɛlayen si ger n lɣaci tenna-yas : ?-țaseɛdit tmeṭṭut i k-id-yurwen, i k-issuṭṭḍen !
27Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
28Lameɛna nețța yerra-yas : Iseɛdiyen, d wid ismeḥsisen i wawal n Ṛebbi, yerna ḥerzen-t.
28Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
29Mi d-innejmaɛ ɣuṛ-es waṭas n lɣaci, Sidna Ɛisa yekker yenna-yasen : Lǧil-agi d lǧil amcum, yessutur lbeṛhan ! Ur as-d-ițunefkay ara lbeṛhan anagar win n nnbi Yunes !
29Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona;
30Axaṭer akken yella nnbi Yunes d lbeṛhan i yimezdaɣ n temdint n Ninebi, ara yili Mmi-s n bunadem d lbeṛhan i lǧil-agi.
30Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity.
31Ass n lḥisab tagellit n tmurt n usammer a d-tekker ɣer yemdanen n lǧil-agi a ten-tesseḍlem imi nețțat tusa-d seg yixef n ddunit iwakken aț-țsel i tmusni n ugellid Sliman. Atah yella gar-awen win yugaren agellid Sliman !
31Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
32Ass n lḥisab a d-kkren daɣen imezdaɣ n temdint n Ninebi ɣer lǧil-agi a ten-sḍelmen, axaṭer nutni uɣalen-d ɣer webrid mi sen-ibecceṛ nnbi Yunes. Kunwi tesɛam dagi gar-awen win yugaren nnbi Yunes !
32Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
33Yiwen ur iceɛɛel taftilt iwakken a ț-iffer neɣ akken a ț-iɣumm s lḥila, lameɛna a ț-issers ɣef lmeṣbeḥ iwakken kra n win ara d-ikecmen ad iwali tafat.
33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
34Tiṭ ț-țaftilt n wemdan. Ma yella tiṭ-ik tṣeḥḥa aț-țiliḍ di tafat, meɛna ma tedderɣel aț-țiliḍ di ṭṭlam.
34Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
35?ader ihi aț-țuɣal tafat yellan deg-k d ṭṭlam.
35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
36Ma telliḍ di tafat s lekmal-ik, ur yețțili ara deg-k ṭṭlam, aț-țiliḍ di tafat am teftilt m'ara d-cceɛceɛ fell-ak.
36Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
37Mi gfukk Sidna Ɛisa ameslay, iɛreḍ-it yiwen wufarizi ɣeṛ imensi.
37Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
38Afarizi-nni yewhem mi gwala Sidna Ɛisa ur issared ara uqbel ad yečč, akken tella di lɛadda-nsen.
38Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
39Sidna Ɛisa yenna-yas : Kunwi s yifariziyen tessiridem taqbuct d uḍebṣi s wufella kan ma zdaxel n wulawen teččuṛem d ṭṭmeɛ akk-d ddɣel.
39Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
40A wid iɣeflen ! Eɛni win i d ixelqen ayen yellan s wufella, mačči d nețța i d-ixelqen ayen n daxel ?
40Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
41Fket lweɛda s wulawen-nwen, imiren kullec ad awen-yeṣfu.
41Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.[Na: Manaova fiantrana araka izay azonareo atao]
42A nnger-nwen ay ifariziyen ! Kunwi yețɛecciṛen nneɛneɛ d uwermi d wayen i d-ițemɣayen di tebḥirt, ma d lḥeqq d leḥmala n Sidi Ṛebbi tețțarram-ten ɣer deffir ; d annect-agi i gezwaren mbla ma tețțum ayen nniḍen.
42Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
43A nnger-nwen ay ifariziyen ! Tḥemmlem imukan imezwura di leǧwameɛ, tḥemmlem ad țsellimen fell-awen yemdanen deg iberdan.
43Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
44A nnger-nwen, kunwi yecban iẓekwan i gɣumm wakal, ur d-nețban ara, ɛeffsen-ten yemdanen ur d-wwin s lexbaṛ.
44Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
45Yenṭeq yiwen lɛalem n ccariɛa, yenna-yas : A Sidi, atan tregmeḍ-aɣ ula d nukkni s wayen i d-tenniḍ akka !
45Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
46Sidna Ɛisa yerra-yas : A nnger-nwen ula d kunwi a lɛulama n ccariɛa ! Tețɛebbim i wiyaḍ tiɛekkmin ẓẓayen, ma d kunwi ur tent-tețnalem ara ula s yiwen uḍaḍ.
46Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza.
47A tawaɣit-nwen ! Lejdud-nwen nɣan lenbiya, kunwi tbennum-asen iẓekwan.
47Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
48S wakka i d-tesbegnem belli tqeblem ayen i xedmen yerna tețkemmilem di tikli-nsen ; axaṭer nutni nɣan-ten, kunwi tbennum-asen iẓekwan.
48Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
49?ef wayagi Sidi Ṛebbi yeẓran kullec yenna : a sen-ceggɛeɣ lenbiya d ṛṛusul, kra a ten-nɣen kra a ten qehṛen.
49Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
50Daymi lǧil-agi ad ițțuḥaseb ɣef tazzla n yidammen n lenbiya seg wasmi i d-texleq ddunit ;
50mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao,
51seg yidammen n Habil mmi-s n Adem armi d idammen n Zakarya i nɣan ger udekkan n iseflawen d lǧameɛ iqedsen. Lǧil-agi ad ițțuḥaseb ɣef ayagi meṛṛa.
51dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.
52A tawaɣit-nwen a lɛulama n ccariɛa ! Teṭṭfem tasaruț n tmusni, ur tekcimem kunwi, ur teǧǧim ad kecmen wid yebɣan.
52Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
53Mi geffeɣ Sidna Ɛisa, lɛulama n ccariɛa d ifariziyen ḥeṛsen-t iwakken a d-immeslay ɣef waṭas n tɣawsiwin nniḍen,
53Ary raha niala teo Izy, dia noteren'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.[Na: tezitra mafy taminy]Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.
54țqelliben amek ara t-id-sseɣlin deg wawal.
54Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.