Kabyle: New Testament

Malagasy

Revelation

1

1Wagi d aweḥḥi n Sidna Ɛisa Lmasiḥ, i s-d-ifka Ṛebbi iwakken ad ixebbeṛ iqeddacen-is ɣef wayen ara d-yedṛun ; leḥwayeǧ-agi i d-ițeddun ixebbeṛ-itent-id s lmelk i d-iceggeɛ i uqeddac-is Yuḥenna.
1[Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
2Yuḥenna yeḥka-d ayen akk yeẓra. Iched-ed ɣef wawal n tudert akk ț-țideț i d-yewwi Sidna Ɛisa Lmasiḥ.
2Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3D iseɛdiyen wid ara yeɣṛen, ara yessemḥessen i lehḍuṛ n uweḥḥi-agi yerna ḥerzen-ten, axaṭer lweqt i deg ara yedṛu wannect-agi iqeṛṛeb-ed.
3Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4S ɣuṛ Yuḥenna, i sebɛa tejmuyaɛ yellan di tmurt n Asya : ṛṛeḥma ț-țalwit a wen-d-țțunefkent s ɣuṛ Win yellan si tazwara, yellan ass-a, ara d-yuɣalen, s ɣuṛ sebɛa leṛwaḥ n Ṛebbi yețțilin zdat wemkan n lḥekma-ines,
4Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [ Gr. eklesia]
5s ɣuṛ Sidna Ɛisa Lmasiḥ inigi n ṣṣeḥ, amezwaru i d-iḥyan si ger lmegtin, agellid n igelliden n ddunit ! Nețța i ɣ-iḥemmlen, i ɣ-isellken si ddnubat nneɣ s idammen-is yuzzlen fell-aneɣ,
5ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [ Gr. nanasa]
6yerra-yaɣ d lmuqedmin iqeddcen ɣef Sidi Ṛebbi, Baba-s. Tamanegt tameqqrant d lḥekma i Sidna Ɛisa Lmasiḥ i dayem ! Amin !
6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
7 Ataya, iteddu-d ɣef wusigna, mkul tiṭ a t-twali, ula d wid i t-ifetken a t-walin ; dɣa igduden n ddunit meṛṛa ad meǧǧden fell-as. ?-țideț, akka ara tedṛu !
7Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
8Sidi Ṛebbi yenna-d : d nekk i d amezwaru i d aneggaru, d Win yellan si tazwara, yellan ass-a, ara d-yuɣalen ; d nekk i d Bab n tezmert. .
8Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9Nekk Yuḥenna gma-twen, yellan yid-wen ama di lmeḥna ɣef wayen yeɛnan tagelda n Sidi Ṛebbi, ama ɣef tuṭṭfa di liman di Sidna Ɛisa, lliɣ di tegzirt n Batmus ɣef demma n wawal n Sidi Ṛebbi yerna ad cehdeɣ ɣef Sidna Ɛisa.
9[Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
10Deg wass n westeɛfu iweḥḥa yi-d Ṛṛuḥ n Sidi Ṛebbi, sliɣ i yiwet n taɣect ɛlayen i d-yekkan deffir-i am akken d ṣṣut n lbuq,
10Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
11teqqaṛ-ed : Ayen akka i tețwaliḍ aru-t di tektabt tceggɛeḍ-ț i sebɛa tejmuyaɛ agi n watmaten : i tejmaɛt n Ifasus, n Smirnus, n Birɣamus, n Tyatir, n Sardas, n Filadilfya akk-d țin n Ludikus.
11nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia]
12Muqleɣ ɣer deffir iwakken ad ẓreɣ anwa i yi-d-ițmeslayen, walaɣ sebɛa teftilin n ddheb,
12Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13di tlemmast nsent yella yiwen lxelq icuban amdan ; yelsa ajellab yerna yebges tabagust n ddheb.
13ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona]
14Ccɛeṛ-is d amellal am taḍuṭ tacebḥant, am udfel, allen-is ceɛlent am tmes,
14Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15iḍaṛṛen-is țfeǧǧiǧen am nnḥas yefsin di tmes, ṣṣut-is yecba zzhir n waman yețseqsiqen deg udrar.
15ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
16Yeṭṭef sebɛa yetran deg ufus-is ayeffus, seg imi-s yeffeɣ-d ujenwi yesɛan sin imawen iqeḍɛen , udem-is yețfeǧǧiǧ am yiṭij m'ara d-icceɛceɛ deg uzzal.
16Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
17Mi t-walaɣ, fecleɣ, ɣliɣ ɣer iḍaṛṛen-is. Yessers fell-i afus-is ayeffus yenna : Ur țțagad ara ! D nekk i gellan si tazwara alamma ț-țaggara ,
17Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18nekk d Win yeddren ; lliɣ mmuteɣ, meɛna ḥyiɣ-ed si lmut, tura aql-iyi ddreɣ i dayem. D nekk i geṭṭfen tisura n lmut akk-d tid n laxeṛt.
18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [ Gr. Hades]
19Ayen akka i tețwaliḍ, ɣef wayen ideṛṛun tura d wayen i d-iteddun, aru-t di tektabt.
19Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito. [ Gr. eklesia]
20?ef wayen yeɛnan lbaḍna n sebɛa yitran-agi i twalaḍ deg ufus-iw ayeffus, akk-d sebɛa teftilin-agi n ddheb : sebɛa yitran-agi d lmalayekkat n sebɛa tejmuyaɛ n imasiḥiyen, ma d sebɛa teftilin-agi, d sebɛa-nni tejmuyaɛ.
20dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito. [ Gr. eklesia]