Khmer

Malagasy

Job

25

1[Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
3Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?]
4Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
5Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.