1Arī es, brāļi, pie jums nākdams, nenācu ar augstu valodu vai gudrību, lai pasludinātu jums Kristus liecību.
1Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. [Na: [ny filazana]
2Jo es nolēmu starp jums nezināt neko citu, kā vienīgi Jēzu Kristu, un Viņu vēl krustā sistu.
2Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana;
3Un es biju pie jums nespēcīgs un bailēs, un lielās bažās;
3ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4Un mana mācība, un mana sludināšana nenotika pārliecinātājos cilvēka gudrības vārdos, bet gara un spēka izpausmē,
4ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery,
5Lai jūsu ticība būtu pamatota ne cilvēku gudrībā, bet Dieva spēkā.
5mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
6Pilnīgajiem arī mēs sludinām gudrību, bet ne šīs pasaules un ne šīs pasaules valdnieku gudrību, kas iznīkst;
6Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7Bet mēs sludinām noslēpumaino un apslēpto Dieva gudrību, ko Dievs pirms mūžiem paredzējis mūsu godam.
7fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao;
8To neviens no šīs pasaules valdniekiem nav atzinis, jo, ja viņi būtu atzinuši, tad viņi nekad godības Kungu nebūtu krustā situši.
8ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra.
9Bet tā ir, kā rakstīts: Ko acs nav redzējusi ne auss dzirdējusi, ne cilvēka sirdī nācis, to Dievs sagatavojis tiem, kas Viņu mīl.
9Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3),
10Un Dievs mums to atklāja caur savu Garu, jo Gars izdibina visu, pat Dieva dziļumus.
10dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
11Jo kurš no cilvēkiem pazīst cilvēku būtību, ja ne cilvēka gars, kas viņā ir? Tāpat arī Dieva būtību neviens nepazīst kā tikai Dieva Gars.
11Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
12Bet mēs neesam saņēmuši šīs pasaules garu, bet to Garu, kas ir no Dieva, lai mēs zinātu, ko Dievs mums dāvājis.
12Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
13To mēs arī runājam ne iemācītos cilvēka gudrības vārdos, bet mēs, kā Gars mācījis, garīgo paskaidrojam garīgi.
13Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. [ Na: teny] [ Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy]
14Miesīgais cilvēks neaptver to, kas nāk no Dieva Gara, jo tas viņam ir neprātība, un viņš nevar saprast, ka tas jāapsver garīgi.
14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15Turpretī garīgais izdibina visu, bet viņu pašu neviens neizdibina.
15Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [ Na: azy]
16Jo kas ir izpratis Kunga prātu, lai Viņu pamācītu? Bet mums ir Kristus prāts.
16Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [ Na: azy]