1Pēteris, Jēzus Kristus apustulis, izredzētajiem svešiniekiem, kas izkaisīti Pontā, Galatijā, Kapadokijā, Āzijā un Bitinijā.
1[Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
2Dieva Tēva iepriekš paredzētiem Gara svētīšanai, paklausībai un apslacināšanai ar Jēzus Kristus asinīm: žēlastība jums un miers pārpilnībā!
2araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3Slavēts lai ir Dievs, mūsu Kunga Jēzus Kristus Tēvs, kas savā lielajā žēlastībā mūs atdzemdinājis dzīvai cerībai caur Jēzus Kristus augšāmcelšanos no miroņiem,
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4Neiznīcīgam, neaptraipītam un nevīstošam mantojumam, kas ir uzglabāts debesīs jums,
4ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5Kas Dieva spēkā tiekat pasargāti ticībā atpestīšanai, kas ir saistīta atklāšanai pēdējā laikā.
5izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6Par to jūs priecāsieties, ja arī tagad, ja tas vajadzīgs, nedaudz skumstat dažādos pārbaudījumos,
6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7Lai jūsu pārbaudītā ticība, kas daudz vērtīgāka par ugunī pārbaudītu zeltu, izrādītos teicama, slavējama un godājama, kad parādīsies Jēzus Kristus.
7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
8Viņu jūs mīlat, lai gan neesat redzējuši, Viņam jūs tagad ticat, To neredzēdami, un ticēdami priecāsieties neizsakāmā un apskaidrotā priekā.
8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9Kad jūs sasniegsiet savas ticības gala mērķi dvēseļu pestīšanu.
9mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10Par šo pestīšanu ir rūpīgi taujājuši un pētījuši pravieši, kas sludināja jums nolemto žēlastību.
10Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11Tie cenšas uzzināt, uz kuru vai kādu laiku viņos norāda Kristus Gars, kas iepriekš liecināja par Kristus ciešanām un tām sekojošo godību.
11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12Viņiem tika atklāts, ka ne viņiem pašiem, bet jums kalpoja tas, ko jums pēc Svētā Gara atsūtīšanas no debesīm sniedza tie, kas jums sludināja evaņģēliju, kurā pat eņģeļi vēlas ieskatīties.
12Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
13Tāpēc apjoziet sava prāta gurnus, modrībā un pilnībā ceriet uz to žēlastību, kas jums tiks dota, kad parādīsies Jēzus Kristus.
13[Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
14Kā paklausīgi bērni nedzīvojiet kārībās, kam jūs agrāk kalpojāt savā nezināšanā,
14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
15Bet tāpat kā Svētais, kas jūs aicinājis, topiet arī paši svēti visā dzīvē,
15fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,
16Jo rakstīts: Esiet svēti, jo es esmu svēts. (3.Moz.11,14)
16satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
17Un ja jūs kā Tēvu piesaucat To, kas, cilvēka stāvokli neievērodams, spriež tiesu pēc katra darbiem, tad pavadiet bijībā savu ceļojuma laiku!
17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
18Jūs zināt, ka esat atpirkti ne ar iznīcīgu zeltu un sudrabu no savas aplamās dzīves, kas no tēviem mantota,
18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19Bet ar Kristus, neaptraipītā un nevainojamā Jēra, dārgajām asinīm,
19fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20Kas iepriekš paredzēts pirms pasaules radīšanas, bet parādījies pēdējā laikā jūsu dēļ.
20Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21Jūs caur Viņu ticat Dievam, kas Viņu uzmodināja no miroņiem un deva Viņam godu, lai jums būtu ticība un cerība uz Dievu.
21Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
22Savas dvēseles šķīstīdami mīlestības paklausībā, brāļu mīlestībā, mīliet cits citu sirds vienkāršībā un sirsnībā!
22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo; [ Na:(amin'ny fo madio)]
23Jūs esat atdzimuši ne no iznīcības sēklas, bet no neiznīcīgās, dzīvā un mūžam palicēja Dieva vārda.
23fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24Jo katra miesa ir kā zāle, bet katra tās godība kā zāles zieds. Nokalta zāle, un tās zieds nokrita.
24Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.
25Bet Kunga vārds paliek mūžīgi. Un šis vārds jums sludināts evaņģēlijā. (Is 40,6-7)
25Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.