1Tāpat arī, sievas, paklausiet saviem vīriem, lai arī tie, kas netic vārdam, pateicoties sievas dzīvei, tiktu iegūti bez sludināšanas,
1Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2Kad redzēs jūsu dievbijīgi skaidro dzīvi. (Ef 5,22; Kol 3,18)
2rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.
3Jūsu greznums lai nav ārējais matu pinums, zelta rotas vai grezni apģērbi,
3Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4Bet apslēptais sirds cilvēks, neiznīcīgs savā klusajā un maigajā garā, kas Dievam dārgs!
4fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
5Jo tā kādreiz greznojās svētās sievietes, kas cerēja uz Dievu, būdamas paklausīgas saviem vīriem,
5Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6Kā Sāra bija paklausīga Ābrahamam, saukdama to par kungu. Jūs esat viņas meitas, kad darāt labu un nebīstieties nekādu draudu.
6dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7Tāpat jūs vīri, sadzīvojiet prātīgi ar sievām kā ar trauslāku trauku! Parādiet viņām godu kā žēlastības dzīves līdzmantiniecēm, lai jūsu lūgšanas netiktu traucētas!
7Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8Bet beidzot esiet visi vienprātīgi, līdzcietīgi, brālīgi, žēlsirdīgi, pacietīgi, pazemīgi!
8[Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9Neatmaksājiet ļaunu ar ļaunu, nedz lāstus ar lāstiem, turpretim svētiet, jo tam jūs esat aicināti, lai iemantotu svētību.
9tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10Jo, kas mīl dzīvi un grib redzēt labas dienas, tas lai savalda savu mēli no ļauna, un tā lūpas lai nerunā viltu!
10"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11Izvairies no ļauna un dari labu, meklē mieru un centies, un seko tam!
11Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12Jo Kunga acis ievēro taisnīgos, un Viņa ausis dzird to lūgšanas, bet Kunga vaigs ir pret tiem, kas dara ļaunu.
12Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
13Un kas jums varēs kaitēt, ja jūs dedzīgi centīsieties pēc laba?
13Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
14Bet ja arī jūs ciestu taisnības dēļ, tad jūs esat svētīgi. Bet nebīstieties no viņiem un neuztraucieties!
14Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15Bet svētiet Kungu Jēzu Kristu savās sirdīs! Esiet vienmēr gatavi atlīdzināt katram, kas prasa no jums norēķinu par to cerību, kas ir jūsos!
15fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16Tomēr lēnprātībā un bijībā, lai jums būtu laba sirdsapziņa, lai kaunas tie, kas jums ceļ neslavu, nopeļot jūsu labo dzīvi Kristū.
16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17Jo labāk, labu darot, ciest, jo tāds ir Dieva prāts, nekā darīt ļaunu.
17Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18Jo arī Kristus vienreiz mūsu grēku dēļ miris. Taisnīgais par netaisnīgajiem, nonāvēts gan miesā, bet atdzīvināts garā, lai mūs upurētu Dievam.
18Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19Garā Viņš nogāja un sludināja tiem gariem, kas bija cietumā.
19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20Kuri kādreiz neticēja, kad tie Noasa dienās paļāvās uz Dieva pacietību, kamēr taisīja šķirstu, kurā no ūdens izglābās nedaudzi, proti, astoņas dvēseles;
20dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21Tas attēlo kristību, kura tagad arī jūs izglābj. Tā nav miesas netīrību nomazgāšana, bet Dievam veltīta lūgšana labā sirdsapziņā caur Jēzus Kristus augšāmcelšanos.
21izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [ Na: fanontanian'] [ Na: amin'] [ Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
22Lai mēs kļūtu mūžīgās dzīves mantinieki, Viņš, nāvi uzvarējis, uzgāja debesīs un sēž pie Dieva labās rokas, kur Viņam pakļauti eņģeļi, varas un spēki.
22Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.