Latvian: New Testament

Malagasy

1 Timothy

3

1Tas ir patiess vārds: ja kas alkst bīskapa amata, tas tiecas pēc laba darba.
1[Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
2Tātad bīskapam jābūt nevainojamam, vienas sievas vīram, sātīgam, prātīgam, cienīgam, godājamam, viesmīlīgam, mācītam,
2Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [ Gr. episkopo]
3Ne dzērājam, ne kauslim, bet lēnprātīgam, ne ķildīgam, ne mantkārīgam,
3tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
4Bet labam sava nama pārvaldniekam, kam bērni paklausa pilnīgā tikumībā.
4manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
5Bet ja kas nemāk valdīt pār savu namu, kā tas gādās par Dieva Baznīcu?
5(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan'Andriamanitra?), [ Gr. eklesia]
6Ne jaunam ticībā, lai nekļūtu lepns un neiekristu velna tiesa.
6tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.
7Viņam jābūt labā slavā pie tiem, kas ir ārpusē, lai neiekristu neslavā un ļaunā gara slazdos.
7Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8Tāpat diakoniem jābūt godājamiem, ne divkosīgiem, ne pārmērīgiem vīna lietotājiem, ne negodīgas peļņas kāriem,
8Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9Tādiem, kas ticības noslēpumu glabā tīrā sirdsapziņā.
9mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10Bet tie iepriekš jāpārbauda un, ja viņiem pārkāpumu nav, tad lai kalpo.
10Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
11Tāpat sievietēm jābūt cienījamām, ne mēlnesīgām, sātīgām, visā uzticīgām.
11Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
12Diakoniem jābūt vienas sievas vīriem, kas labi valda savus bērnus un savu namu;
12Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13Jo tie, kas labi pilda savu pienākumu, iegūst goda vietu un stipru cerību ticībā, kas ir Kristū Jēzū.
13Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
14šo es tev rakstu, cerēdams drīzumā nākt pie tevis;
14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
15Bet ja es aizkavējos, lai tu zinātu, kā jāizturas Dieva namā, kas ir dzīvā Dieva Baznīca, patiesības balsts un pamats.
15fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [ Gr. eklesia]Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra. [ Na: ho any amin']
16Un patiesi liels ir dievbijības noslēpums. Tas ir parādījies miesīgi, apliecināts garā, eņģeļi to skatījuši, tautām tas sludināts, pasaulē ticēts, godībā uzņemts.
16Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra. [ Na: ho any amin']