Latvian: New Testament

Malagasy

2 Thessalonians

1

1Pāvils un Silvāns, un Timotejs tesalonīkiešu draudzei Dievā, mūsu Tēvā, un Kungā Jēzū Kristū:
1[Ny hafalian'i Paoly noho ny faharetan'ny Kristiana tao Tesalonika sy ny finoany ary ny fitiavany] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2Žēlastība un miers jums no Dieva, mūsu Tēva, un Kunga Jēzus Kristus!
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3Mums vienmēr jāpateicas Dievam par jums, brāļi, kā tas pienākas, jo jūsu ticība stipri pieaug un savstarpējā mīlestība ir liela katrā no jums.
3Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4Tā ka mēs paši lepojamies ar jums citās Dieva draudzēs par jūsu pacietību un ticību visās jūsu vajāšanās un bēdās, ko jūs panesat
4ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [ Gr. eklesia]
5Dieva taisnīgās tiesas pierādījumam, jo jūs būsiet Dieva valstības cienīgi, kuras dēļ ciešat.
5famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
6Jo tāda ir Dieva taisnība: atmaksāt ar apspiešanu tiem, kas jūs apspiež,
6fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7Bet jums, apspiestajiem, dot mieru kopā ar mums tad, kad Kungs Jēzus no debesīm parādīsies ar savas varenības eņģeļiem
7ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
8Uguns liesmās, lai atmaksātu tiem, kas neatzina Dievu un kas nepaklausīja mūsu Kunga Jēzus Kristus evaņģēlijam.
8amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
9Tie sodam saņems mūžīgo pazušanu no Kunga vaiga un Viņa varenās godības.
9dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
10Tanī dienā Viņš nāks, lai tiktu pagodināts savos svētajos un lai visi ticīgie Viņu apbrīnotu, jo jūs ticējāt mūsu liecībai.
10raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
11Tāpēc mēs arī vienmēr aizlūdzam par jums, lai mūsu Dievs atzītu jūs sava aicinājuma cienīgus un lai piepildītu katru cenšanos pēc laba un ticības darbu spēkā,
11Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana,mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
12Lai mūsu Kunga Jēzus Kristus vārds tiktu pagodināts jūsos un jūs Viņā saskaņā ar mūsu Dieva un Kunga Jēzus Kristus žēlastību.
12mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.