1Pēc piecām dienām augstais priesteris Ananija kopā ar dažiem vecākajiem un kādu runātāju Tertullu atnāca pie zemes pārvaldnieka, lai vērstos pret Pāvilu.
1[Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
2Kad Pāvils bija atsaukts, Tertulls sāka to apsūdzēt, sacīdams: Pateicoties tev un tavai aizgādībai, mēs dzīvojam pilnīgā mierā un daudz kas ticis labots
2Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
3Visteicamākais Fēliks! Un mēs vienmēr un visur to visā pateicībā atzīstam.
3Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
4Bet lai pārāk ilgi tevi neaizkavētu, es lūdzu savā laipnībā īsumā uzklausīt mūs.
4Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay.
5Mēs atradām, ka šis cilvēks ir mēris un nemiera cēlājs starp visiem jūdiem visā pasaulē un Nācarieša sektas vadītājs,
5Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
6Kas mēģināja apgānīt arī svētnīcu. Mēs viņu notvērām un gribējām tiesāt pēc mūsu likuma.
6Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy; [ Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay]
7Bet priekšnieks Lizijs atnāca ar lielu spēku un, izrāvis to no mūsu rokām,
7[Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy]
8Pavēlēja, lai apsūdzētāji nāk pie tevis. Tu pats, viņu nopratinājis, varēsi uzzināt visu to, par ko mēs viņu apsūdzam.
8ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
9Arī jūdi tam piekrita un sacīja, ka tas tā ir.
9Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10Tad Pāvils, kad zemes pārvaldnieks māja viņam runāt, atbildēja: Zinādams, ka tu daudz gadus esi šīs tautas tiesnesis, es drošu prātu aizstāvu sevi.
10Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11Tu vari pārliecināties, ka nav vairāk kā divpadsmit dienu, kopš es aizgāju uz Jeruzalemi pielūgt Dievu;
11fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12Un viņi nav atraduši mani svētnīcā ar kādu strīdamies, ne ļaudis kūdām uz sacelšanos ne sinagogās,
12Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
13Ne pilsētā; tie nevar tev pierādīt arī to, par ko tie mani apsūdz.
13ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14Bet atzīstos tanī, ka es pēc tās mācības, ko viņi sauc par maldu mācību, kalpoju savam Tēvam un Dievam, ticēdams visam, kas uzrakstīts bauslībā un praviešos.
14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [Gr. lalàna]
15Un man ir cerība uz Dievu un uz taisnīgo un netaisnīgo augšāmcelšanos, kādu arī viņi paši gaida.
15ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
16Tāpēc es arī cenšos vienmēr paturēt tīru sirdsapziņu Dieva un cilvēku priekšā.
16Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
17Bet pēc vairākiem gadiem es atnācu, lai nodotu dāvanas savai tautai un upurētu, un dotu solījumus.
17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
18Un viņi mani atrada svētnīcā šķīstītu, ne pūlī un ne drūzmā.
18Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
19Tāpēc dažiem Āzijas jūdiem vajadzēja būt šeit tavā priekšā un apsūdzēt, ja tiem kas būtu pret mani.
19- tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20Vai šie paši lai saka, kādu netaisnību tie manī atklājuši, kad es stāvēju augstās tiesas priekšā,
20Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
21Vai vienīgi saucienu dēļ, ko es saucu, viņu vidū stāvēdams: jūs šodien mani tiesājat mirušo augšāmcelšanās dēļ.
21afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22Tad Fēlikss, labi šo mācību pazīdams, atlika šo lietu, sacīdams: Es jūs uzklausīšu, kad atnāks priekšnieks Lizijs.
22Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [ Gr. lalàna]
23Un viņš pavēlēja virsniekam to apsargāt, dot viņam mieru un neliegt nevienam no savējiem sniegt viņam pakalpojumus.
23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24Pēc dažām dienām atnāca Fēlikss kopā ar Druzillu, savu sievu, kas bija jūdiete, un, ataicinājis Pāvilu, klausījās viņu par ticību uz Jēzu Kristu.
24Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
25Kad viņš runāja par taisnību un par šķīstību, un nākamo tiesu, tad Fēlikss pārbijās un atbildēja: Tagad ej! Attiecīgā brīdī es tevi atkal aicināšu.
25Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
26Bet viņš turklāt arī cerēja, ka Pāvils viņam dos naudu, tāpēc tas bieži aicināja viņu un runāja ar to.
26Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
27Kad divi gadi bija pagājuši, Porcijs Fēsts kļuva Fēliksa pēctecis. Fēlikss, gribēdams jūdiem parādīt labvēlību, atstāja Pāvilu cietumā.
27Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.